Salamo

Toko faha-14 (13)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.
Adala izay miteny anakampo hoe: "Tsy misy Andriamanitra !" Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo sady tsy mba misy manao ny tsara.

2 Avy eny an-danitra eny ny TOMPO no miondrika hijery ny olombelona, hizaha sao mba misy olon-kendry izay mitady Azy tokoa.

3 Fa izy rehetra no maniaka samy tsy valahara avokoa; tsy mba misy manao ny tsara, na dia iray akory aza !

4 Hoy kosa ny TOMPO hoe: "Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana, sady Izaho tsy antsoiny akory!"

5 Indreo fa matahotra dia matahotra ireny, satria ny mpivavaka iandanian'Andriamanitra.

6 Nataonareo tsinontsinona ny fikasan'ny ory, kanefa ny TOMPO ange no fialofany.

7 Hivoaka avy ao Tsiona anie ny famonjena an'i Israely! Ka hifaly sy hiravo ny taranak'i Jakoba, dia ny vahoaka Israely tsivakivolo, rehefa hambinin'ny TOMPO indray izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0588