Salamo

Toko faha-139 (138)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, nandinika ahy Ianao ka fantatrao avokoa ny momba ahy.

2 Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; elabe mialoha, dia efa tsinjonao ny hevitro.

3 Voadinikao aho na mamindra na miato; ary tsy misy miafina aminao ny lalan-kalehako.

4 Tsy mbola eo am-bavako akory ny teny holazaiko, dia indro efa fantatrao avokoa, TOMPO o.

5 Voambombanao aho na eo aloha na eo ivoho; ny fiarovanao no apetrakao amiko.

6 Mahagaga loatra amiko ny fahalalanao ahy; avo tokoa izany, ka tsy takatro velively.

7 Aiza no hialako lavitra ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?

8 Raha miakatra any an- danitra aho, any Ianao; mandry any amin'ny toeran'ny maty aho, io koa Ianao.

9 Raha maka ny elatry ny mazavatsinanana aho na lasa honina any am-paran'ny ranomasina,

10 dia mbola ny fiarovanao no mitondra ahy any ary mbola ny herinao koa no mihazona ahy.

11 Ka hoy aho hoe: "Aoka ny haizina hanarona ahy! Aoka ny hazavana manodidina ahy hanjary alina!"

12 Na ny haizina aza tsy maizina aminao, ary ny alina koa dia mazava toy ny andro: ny haizina dia toy ny hazavana ihany!

13 Ianao no nahary ny saina amam-panahiko sy namolavola ahy tao an-kibon-dreniko.

14 Midera Anao aho fa nataonao ho zava-mahatalanjona tokoa; zava-mahagaga ny asanao ary ekeko mihitsy izany.

15 Tsy misy takona taminao izany tenako, fony aho noforoninao tao amin'ny miafina ka notenominao tao an-kibon-dreniko.

16 Tsy mbola nisy endrika aho no efa hitanao; voasoratrao tao amin'ny bokinao avokoa ireo andro voatendrinao hiainako, talohan'ny tsy mbola nisiany akory.

17 Tsy haiko takarina velively ny hevitrao sady akory ity hamaroany, ry Andriamanitra o!

18 Raha hanisa aho, dia maro noho ny fasika ireny; raha hahisa aza, dia mbola tsy hahatakatra Anao.

19 Andriamanitra o, haringanao mihitsy anie ny olon-dratsy ary hohalavirinao ahy anie ny mpamono olona!

20 Miresaka Anao amim-pihatsarambelatsihy ireo fahavalonao sady mitonona Anao mba hoenti-mamitaka.

21 Ankahalaiko ny mpankahala Anao, TOMPO o; ary maharikoriko ahy ny mpanohitra Anao.

22 Halako dia halako tokoa ireo sady efa tonga fahavaloko.

23 Andriamanitra o, diniho aho ka fantaro ny foko; zahao toetra aho ka fantaro eritreritra.

24 Jereo raha miroso amin'ny lala-mampidi-doza aho, dia tariho hizotra amin'ny sori-dalanao hatrizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1003