Salamo

Toko faha-136 (135)

1 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany !

2 midera an'ilay Andriamanitry ny andriamanitra; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

3 midera an'ilay TOMPOn'ny tompo; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

4 Izy no hany mpanao zava-mahagaga lehibe-eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

5 sy nanao ny habakabaka tamim-pahendrena -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

6 ary namelatra ny tany teo ambonin'ny rano ; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

7 Izy no nanao ireo fanazavana lehibe, -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

8 dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro-eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

9 ary ny volana aman-kintana ho mpanapaka ny alina ; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

10 Izy no namely ny lahimatoan'ny Ejiptianina -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

11 sy namoaka ny Israelita hiala tao Ejipta -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

12 tamin'ny fiarovana mahery sy fahefana lehibe; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

13 Izy no nampisaraka ny Ranomasin'ny Volotara -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

14 ka nampandalo ny Israelita teo anivony, -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

15 fananipy ny Farao sy ny tafiny tao ; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

16 Izy no nampizotra ny vahoaka ny tany an-taniefitra-eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

17 sy namely mpanjaka lehibe-eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

18 ary nahafaty mpanjaka mahery, -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

19 dia i Sihona mpanjakan'ny Amorita , -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

20 sy i Hoga mpanjakan'i Basana , -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

21 ka nanome ny tanin'ireny ho lova, -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

22 ho lovan'ny vahoaka Israely mpanompony; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

23 Izy no nahatsiaro antsika fony isika nijaly -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

24 sy nisarika antsika ho afaka amin'ny mpampahory -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

25 ary manome sakafo ny voaary rehetra; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

26 Midera an'ilay Andriamanitry ny lanitra , -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany! Babilona

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566