Salamo
Toko faha-135 (134)
1 Haleloia! Midera ny anaran'ny TOMPO ianareo. Midera Azy ianareo mpanompony2 izay mitoetra ao an- tranony, ao an-kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.
3 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy; mankalaza ny anarany fa mamy izany,
4 satria i Jakoba nofidin'ny TOMPO ho Azy ary i Israely natokany ho fananany.
5 Eny, fantatro fa lehibe ny TOMPO; ary ekeko fa izany Tompontsika izany dia ambonin'ny andriamanitra rehetra.
6 Izay sitraky ny TOMPO, ataony avokoa na any an-danitra na ety an-tany, na any an-dranomasina sy any an-drano lalimbe.
7 Nampiakatra rahona avy any am-paran'ny tany Izy, ka nanao helatra narahin-dranon'orana ary namoaka ny rivotra avy tamin'ny fitahirizany azy.
8 Namely ny lahimatoan'ny Ejiptianina Izy, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby.
9 Famantarana sy zava-mahagaga no nalefany teo anivonao, ry Ejipta, mba hanafaizana ny Farao sy ireo tandapany rehetra.
10 Namely hafa firenena maro Izy sy nahafaty mpanjaka mahery,
11 dia i Sihona mpanjakan'ny Amorita sy i Hoga mpanjakan'i Basana , ary namely ny fanjakana rehetra izay manerana an'i Kanahana.
12 Ny tanin'ireny nomeny ho lova, ho lovan'ilay Israely vahoakany.
13 TOMPO o, maharitra mandrakizay ny lazanao; amin'ny taona rehetra ny fahatsiarovana Anao,
14 satria omenao rariny ny vahoakanao ary iantranao indray ny mpanomponao.
15 Ny sampin'ny hafa firenena dia volafotsy amam-bolamena; zavatra notefen'olombelona ireny.
16 Manam-bava fa tsy miteny; mana-maso fa tsy mahita;
17 manan-tsofina fa tsy mandre; tsy misy fofonaina akory ao am-bavany.
18 Ho tahaka azy anie izay nanao azy sy izay rehetra mitoky aminy !
19 Ry fokon'i Israely o, misaora ny TOMPO; ry taranak'i Aharona o, misaora ny TOMPO;
20 ry tariky ny levita o, misaora ny TOMPO; ry mpanaja ny TOMPO o, misaora ny TOMPO.
21 Hisaorana avy ao Tsiona anie ny TOMPO, Izay monina ao Jerosalema! Haleloia!