Salamo

Toko faha-132 (131)

1 Hira fiakarana. TOMPO o, ny zavatra rehetra niaretan'i Davida dia mba tsarovy hanasoavanao azy.

2 Tsarovy fa taminao, TOMPO o, no nanaovany fianianana; taminao, ry ilay Maherin'i Jakoba, no nanaovany voady hoe:

3 "Tsy hiditra ny tranolay fonenako aho na hiakatra ny farafara fandriako,

4 tsy hamela ny masoko hatory aho na ny hodi-masoko ho rendremana,

5 mandra-pahitako toerana ho an'ny TOMPO, dia fonenana ho an'ilay Maherin'i Jakoba."

6 Indro henonay hoe any Efrata ny Vatamasina ; ary hitanay tao amin'ny sahan'i Jahara.

7 "Koa ndeha isika ho any amin'ny fonenan'ny Tompo sy hiankohoka eo anoloan'ny fitoeran-tongony !

8 Avia, TOMPO o, ho amin'ny toeram-pitsaharanao, dia Ianao sy ilay Vatamasina maneho ny herinao.

9 Aoka ny mpisorona hitafy fahamarinana, ny mpivavaka aminao hihoby an-kafaliana!

10 Noho ny amin'i Davida mpanomponao, dia aza lavina ity mpanjaka voahosotrao."

11 Ny TOMPO efa nanao fianianana tamin'i Davida ka tsy hivadika amin'ny marina voalazany hoe: "Iray amin'ireo zanakalahinao no hataoko mpanjaka handimby anao amin'ny sezafiandriananao.

12 Raha ny zanakao mitandrina ny fanekem-pihavanako mbamin'ny fepetra izay hampitaiko aminy, dia zanany lahy hatrany hatrany koa no hipetraka eo amin'ny sezafiandriananao."

13 Ny TOMPO efa nifidy an'i Tsiona, izay tiany hatao fonenana.

14 "Inty, hoy Izy, no toeram-pitsaharako hatrany. Eto no honenako, satria eto no tiako!

15 Hotahiko tokoa i Tsiona, homeko ny sakafo hivelomany; hataoko voky hanina ireo mahantra ao aminy.

16 Ny mpisorony ho tafiko famonjena, ny mpivavaka hanao hobin-kafaliana.

17 Ao no hataoko mpanjaka mahery ny solofo iray avy amin'i Davida; ary ho toy ny fanilo maharitra izany mpanjaka voahosotro izany.

18 Ny fahavalo ny hotafiko henatra, fa fehiloha manjelatra kosa no eo aminy."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0565