Salamo
Toko faha-13 (12)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 TOMPO o, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy, ary mandra-pahoviana koa no tsy hanekenao hijery ahy?
3 Mandra-pahoviana aho no hiferinaina ka halahelo am-po isan'andro izao? Mandra-pahoviana ny fahavaloko no mbola hisandratra ho amboniko?
4 TOMPO Andriamanitro o, mba jereo aho ka valio vavaka. Avereno tanjaka sy hery aho, fandrao dia ho renoka tokoa ho amin-torimasom-pahafatesana,
5 fandrao koa ny fahavaloko no hihambo ho naharesy ahy; ary dia hibitaka ireo mpanohitra fa hoe nampilavo lefona ahy.
6 Ny fitiavanao kosa no ianteherako, ny famonjenao no hiravoako. TOMPO o, hihira ho voninahitrao aho noho ny soa nataonao tamiko.