Salamo
Toko faha-129 (128)
1 Hira fiakarana. Mafy izay nampahoriana ahy hatry ny fony kely izay! -Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:2 "Mafy izay nampahoriana ahy hatry ny fony kely izay! Kanefa tsy naharesy ahy ny olon-dratsy.
3 Nanoritana vava asa lava ny lamosiko, toy ny ataon'ny mpiasa tany eo amin'ny sahany.
4 Mandala ny rariny kosa ny TOMPO, ka namaha ny fatorana nataon'ireo tamiko."
5 Aoka ho menatra sy hihemotra izay rehetra mankahala an'i Tsiona!
6 Aoka izy ho toy ny ahitra an-tampontrano: tsy mbola ongotana, dia efa maina;
7 tsy mahafeno tanana, raha jinjana; tsy ahazoana amboara, raha angonina;
8 ka tsy mampiteny ny mpandalo hoe: " Notahin'ny TOMPO Andriamanitrareo e! " Amin'ny anaran'ny TOMPO no irarianay fitahiana ho anareo!