Salamo
Toko faha-128 (127)
1 Hira fiakarana. Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO sy manaraka ny sori-dalana nataony.2 Ny vokatry ny asanao tokoa no hivelomanao ka sambatra sy ambinina ianao!
3 Ny vadinao eo an-tranonao dia toy ny voaloboka mahavokatra; ny zanakao manodidina ny latabatrao dia toy ny solofon'oliva.
4 Eny, toy izany no itahiana ny lehilahy manaja ny TOMPO!
5 Hitahy anao avy ao Tsiona anie ny TOMPO, ka amin'ny andro rehetra iainanao no hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema
6 sy hahitanao ny zafikelinao! Ny fiadanana anie ho an'i Israely!