Salamo
Toko faha-124 (123)
1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy ny TOMPO no nomba antsika... -Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:2 "Raha tsy ny TOMPO no momba antsika tamin'ny namelezan'ny olona antsika,
3 dia ho nateliny velona tokoa isika satria nirehitra loatra ny havinirany;
4 eny, ho toy ny rano nandifotra antsika ireo, ho toy ny riaka nanafotra antsika,
5 ho toy ny rano misamboaravoara nanafotra antsika."
6 Hisaorana anie ny TOMPO tsy nahafoy antsika ho rotidrotehin'ny vangin'ireo!
7 Toy ny fody afa-pandrika harato isika: rovitra ny harato, ka afaka isika!
8 Ny famonjena antsika dia ny anaran'ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.