Salamo
Toko faha-122 (121)
1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida. Faly aho raha nilazan'ireo namako hoe: "Andeha isika ho any an-tranon'ny TOMPO!"2 He ny tongotray efa mijadona eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.
3 Ianao, ry Jerosalema, dia voaorina ho tanana miray sady mirindra.
4 Ao ireo fokon'i Israely, dia ireo fokon'ny TOMPO, no miakatra hidera ny TOMPO : fepetra ho an'i Israely izany.
5 Ao no ijoroan'ny seza fiandrianam-pitsarana, dia ny seza fiandrianan'ny taranak'i Davida.
6 Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema: "Fanambinana anie ho an'ireo mpitia anao!
7 Fiadanana anie ho ao amin'ireo mandanao! Fanambinana anie ho ao amin'ireo lapanao!
8 Noho ireo mpiray firenena amiko sy ireo sakaizako, aoka aho hiteny hoe: Fiadanana anie ho ao aminao;
9 noho ny tranon'ny TOMPO Andriamanitray, avelao aho hirary soa ho anao!"