Salamo
Toko faha-121 (120)
1 Hira fiakarana. Manopy maso any amin'ireo tendrombohitra aho. Avy aiza moa ny famonjena ahy?2 -Ny famonjena ahy dia avy amin'ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany!
3 -Tsy havelany ho solafaka anie ny tongotrao; tsy ho rendremana anie ny mpiambina anao!
4 -Tsia, tsy rendremana na matory ny mpiambina an'i Israely.
5 Ny TOMPO no mpiambina anao amin'ny alina; ny TOMPO eo anilanao no fialofanao;
6 ka tsy hamely anao ny masoandro, raha antoandro; tsy hamely anao ny volana, raha alina.
7 Ny TOMPO hiambina anao amin'ny ratsy rehetra; eny, hiambina ny ainao Izy,
8 hiambina anao mandroso sy miverina manomboka izao ka ho mandrakizay!