Salamo
Toko faha-120 (119)
1 Hira fiakarana. Fony aho tao an-katerena, dia nantsoiko ny TOMPO ka namaly.2 TOMPO o, mba afaho re aho amin'ny mpilaza lainga sy fitaka!
3 Inona sy inona moa, ry mpilaza fitaka, no sazy hampiharin'Andriamanitra aminareo ?
4 Ireo zana-tsipika maranitra fitondra miady, sady voarehitra tamin'ny vainafon'anjavidy!
5 Dirandoza aho fa vahinin'olon-dia, niantrano tany amin'ny baribarianina!
6 Ela loatra no niarahako niaina tamin'olona tsy tia fiadanana.
7 Vao itenenako fiadanana izy, dia mila ady amiko foana.