Salamo

Toko faha-118 (117)

1 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany !

2 Aoka ny Israelita hilaza hoe: -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

3 Aoka ny taranak'i Aharona hilaza hoe: -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

4 Aoka ireo mpanaja ny TOMPO hilaza hoe: -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

5 Tao an-katerena aho no niantso ny TOMPO, ka novaliany aho, nomeny halalahana.

6 Miandany amiko izy ka tsy hatahotra aho; hahavita inona amiko ny olombelona ?

7 Miandany amiko ny TOMPO ka manampy ahy; ireo mpankahala ahy hitako fa resiny.

8 Aleo mialoka amin'ny TOMPO toy izay mialoka amin'ny olombelona;

9 aleo mitoky amin'ny TOMPO toy izay mitoky amin'ny mpifehy.

10 Nanodidina ahy avokoa ireo hafa firenena, fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.

11 Nitangorona tamiko ireo, indray nanarona ahy, fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.

12 Nanodidina ahy toa renitantely ireo, kanjo nalaky maty toy ny afo-mololo, fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.

13 Natosik'ireo aho mba ho lavo, fa ny TOMPO no nanampy ahy.

14 Ny TOMPO no heriko sy reharehako, satria Izy no mampandresy ahy.

15 Feo fihobiana sy horakora-pandresena no ao an-dain'ny olona afaka: "Naneho hery ny tanan'ny TOMPO,

16 nanandratra anay ny tanan'ny TOMPO, naneho hery ny tanan'ny TOMPO."

17 Tsy ho faty aho fa ho velona mba hitanisa ny asan'ny TOMPO.

18 Nofaizin'ny TOMPO tokoa aho, kanefa tsy nafoiny ho faty.

19 Vohay ny vavahady fidiran'ny olo-marina mba hidirako hidera ny TOMPO.

20 Ity no vavahady mankao amin'ny TOMPO; ny olo-marina no aoka hiditra eo!

21 Hidera Anao aho, TOMPO o, fa novalianao ary Ianao no nahazoako fandresena.

22 Ny vato nolavin'ny mpanao trano no efa tonga vatofehizoro.

23 Avy amin'ny TOMPO izany ka mahagaga eo imasontsika.

24 Ity no andro nataon'ny TOMPO mba hifaliantsika sy hiravoantsika.

25 Miangavy re, TOMPO o, omeo fandresena izahay ; miangavy re, TOMPO o, omeo fanambinana izahay.

26 Hotahina amin'ny anaran'ny TOMPO anie ilay avy. Ianareo koa rarinay fitahiana avy ato an-tranon'ny TOMPO.

27 Ny TOMPO no Andriamanitra, ka hanazava antsika anie Izy! Milahara mitana sampan-drofia, ka manatona ny zoron'ny alitara.

28 Andriamanitro Ianao ka hoderaiko, eny, Andriamanitro ka hasandratro.

29 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: -Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0598