Salamo
Toko faha-116 (114-1
1 Tiako ny TOMPO noho Izy mihaino ny feoko fony aho mitalaho aminy.2 Manongilan-tsofina amiko Izy ka hantsoiko, raha mbola velona koa aho.
3 Ny fahafatesana toa efa nitana ahy am-patorana; ny toeran'ny maty toa efa nangeja harato ahy, tojo fahoriana sy tebiteby aho,
4 ka niantso ny TOMPO nanao hoe: "Miangavy aho, TOMPO o, mba vonjeo re aho!"
5 Miantra sy marina ny TOMPO, mamindrafo ny Andriamanitray.
6 Miaro ny olon-tsotra ny TOMPO; reraka aho ka novonjeny.
7 Milamina indray, ry fanahiko, fa ny TOMPO efa nanisy soa anao.
8 Ianao tokoa, TOMPO o, no nanafaka ahy tsy ho faty; ka ny masoko tsy hitomany, ny tongotro tsy ho solafaka.
9 Dia hiaina eo anatrehanao aho eto amin'ity tany ivelomanay ity.
10 Natoky aho, na dia efa nahateny aza hoe : "Fara fahoriana tokoa aho!"
11 Taitra loatra aho ka loa-bolana hoe: "Mpandainga avokoa ny olombelona !"
12 Inona no havaliko ny TOMPO noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13 Hitondra fanatitra divay aho ka hanao antso avo ny lazan'ny TOMPO.
14 Hanefa ny voadiko amin'ny TOMPO aho eo anatrehan'ny vahoakany tafangona.
15 Tsy sitraky ny TOMPO velively ny hahafatesan'ny mpivavaka aminy.
16 TOMPO o, mpanomponao aho; eny, mpanomponao tokoa aho sady zanaky ny mpanompovavinao, ka novahanao ny fatorako.
17 Hanolotra sorom-piderana aho ary hanao antso avo ny lazan'ny TOMPO.
18 Hanefa ny voadiko amin'ny TOMPO aho eo anatrehan'ny vahoakany tafangona,
19 dia eo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO, eo afovoanao, ry Jerosalema. Haleloia!