Salamo

Toko faha-115 (113B)

1 Aza izahay, ry TOMPO o, aza izahay fa Ianao ihany no omem-boninahitra, noho ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky.

2 Ahoana no ilazan'ireo hafa firenena hoe: Mba aiza ity Andriamanitrareo ?

3 Ilay Andriamanitray dia any an-danitra, ka efany avokoa izay tiany hatao.

4 Ny sampin'ny hafa firenena kosa dia volafotsy amam-bolamena; zavatra notefen'olombelona ireny:

5 manam-bava fa tsy miteny; mana-maso fa tsy mahita;

6 manan-tsofina fa tsy mandre; manana orona fa tsy manambolo;

7 manan-tanana fa tsy mandray; manan-tongotra fa tsy mandeha; ary ny tendany tsy mahaloa-peo.

8 Ho tahaka azy anie izay manao azy sy izay rehetra mitoky aminy !

9 Ry fokon'i Israely o, matokia ny TOMPO. -Heriny sy ampingany Izy !

10 Ry taranak'i Aharona o, matokia ny TOMPO. -Heriny sy ampingany Izy!

11 Ry mpanaja ny TOMPO o, matokia ny TOMPO. -Heriny sy ampingany Izy!

12 Maha tsiaro antsika ny TOMPO ka mita hy: -Hotahiny anie ny fokon'i Israely! -Hotahiny anie ny taranak'i Aharona!

13 -Hotahiny anie ny mpanaja AZY! -Hotahiny anie na ny kely na ny lehibe !

14 Hohamaroin'ny TOMPO anie ny ankohonanareo, dia ny anareo sy ny an'ny zanakareo!

15 Hitahy anareo anie ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany!

16 Ny lanitra dia an'ny TOMPO; ny tany kosa nomeny ny olombelona!

17 Tsy ireo maty no hidera ny TOMPO na ireo mitsitra any an-toera-mangina;

18 fa isika velona no misaotra ny TOMPO manomboka izao ka ho mandrakizay. Haleloia!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0578