Salamo

Toko faha-114 (113A)

1 Haleloia! Fony niala tany Ejipta ireo Israelita, taranak'i Jakoba, ka nandao an'ilay firenena lozabe sady hafa fiteny,

2 dia tonga Toeramasin'ny TOMPO i Joda ary faritany anjakany i Israely.

3 Ny ranomasina nahita ny Israelita ka nandositra; ny ony Jordana nanjary niorika ;

4 ny tendrombohitra niantsambotra toa ondrilahy ary ny havoana nitsambikina toa zanak'osy.

5 Ahoana ianao, ry ranomasina, no mandositra, ary ianao, ry ony Jordana, no manjary miorika?

6 Ahoana ianareo, ry tendrombohitra,no miantsambotra toa ondrilahy, ary ianareo, ry havoana, no mitsambikina toa zanak'osy?

7 Aoka ianao, ry tany, hientanentan-kafaliana eo anoloan'ny Tompo, dia ny Andriamanitr'i Jakoba,

8 fa manova ny vatolampy ho farihy Izy, mahatonga ny karaobato ho loharano !

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557