Salamo

Toko faha-113 (112)

1 Haleloia! Ry mpanompon'ny TOMPO, midera, eny, midera ny anaran'ny TOMPO.

2 Hisaorana anie ny anarany hatrizao ka ho mandrakizay!

3 Hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, hoderaina anie ny anaran'ny TOMPO!

4 Ambonin'ny firenen-drehetra ny TOMPO; ambonin'ny lanitra ny voninahiny.

5 Iza no tahaka ny TOMPO Andriamanitsika? Mipetraka eo an-tseza fiandrianany ao ambony Izy

6 kanefa miondrika mba hitazana izay eny an-danitra sy ety an-tany,

7 manarina ny malahelo hiala amin'ny vovoka sy manandratra ny mahantra hiala amin'ny fako

8 mba hampiray toerana azy amin'ny mpifehy, dia ireo mpifehy mitondra ny vahoakany;

9 mahatonga ny momba ho heni-kafaliana Izy satria manome azy trano honenana sy zaza maro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0966