Salamo

Toko faha-110 (109)

1 Salamo nataon'i Davida. Ny TOMPO Andriamanitra dia niteny hentitra tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe: "Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto ankavanako. Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao."

2 Avy eo Tsiona anie ny TOMPO Andriamanitra no hanitatra ny fahefam-pitondranao! Enga anie hiharan'ny fanapahanao eo anivon'ireo fahavalonao manodidina Anao!

3 Miaramila voafantina no miaraka aminao amin'ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin'ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran'ny mazavatsinanana.

4 Nataon'ny TOMPO Andriamanitra taminao sady tsy mba hiverenany intsony izao tenim-pianianana izao: "Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkitsedeka."

5 Andriamanitra o, efa eo ankavananao ilay Tompo Mpanjaka; dia mpanjaka maro no haripany amin'ny andro fahatezerany.

6 Hampiharany famaizana ireo firenena ka hataony feno faty ny toeram-piadiana; filoha maro no haripany manerana ny tany.

7 Dia ny sakeli-drano ao an-dohasaha no hisotroan'ity Mpanjaka eny an-dalana. Izany sy izany no hampitraka Azy ho mpandresy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558