Salamo
Toko faha-11 (10)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida. -Ny TOMPO no fialofako. Ahoana ary no ilazanareo amiko hoe: "Mandosira any an-tendrombohitra toy ny fanaon'ny voronkely ianao?"2 -Jereo ny olon-dratsy fa manenjana tsipika sy manandrify zana-tsipika amin'ny tady mba hitifitra ao amin'ny maizina ny mahitsy fo.
3 Rehefa potika ny fanorenan'ny fiaraha-monina, inona indray moa no azon'ny olo-marina atao?
4 -Ny TOMPO anefa dia ao amin'ny Tempoliny masina sady eo an-tseza fiandrianany any an-danitra. Arahiny maso ny olombelona ka indray mijery dia voatombany.
5 Voatomban'ny TOMPO tokoa ny olo-marina sy ny olon-dratsy ka halany ireto mpankamamy herisetra.
6 Aoka ho vainafo sy solifara no halatsany toa ranonorana eo an-dohan'ireo olon-dratsy! Dia tafio-drivotra mahamay no anjara homeny azy ireo.
7 Eny, marina ny TOMPO ka tia fahamarinana; ary ny mahitsy fo no hifanatri-tava aminy.