Salamo

Toko faha-109 (108)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida. Ry Andriamanitra fiderako o, aza dia mangina fotsiny Ianao,

2 fa nisoka-bava hamely ahy ny olon-dratsy sy mpamitaka; resaka feno lainga no ataony amiko,

3 teny fankahalana no manemitra ahy ary iadiany tsy amin'antony aho.

4 Ny fitiavako valiany fandrafiana, fa izaho kosa mivavaka ho azy;

5 ratsy no asetriny ny soa ataoko, fankahalana no avaliny ny fitiavako.

6 Hoy izy ny amiko: "Anendreo olon-dratsy hamely azy ; aoka hisy mpiampanga hitsangana eo ankavanany!

7 Rehefa hotsaraina izy, dia aoka ho hita fa meloka; ary na ny fivavahany aza, aoka ho tonga fahotana!

8 Hohafohezina anie ny andro iainany ary ho lasan'olon-kafa ny andraikiny !

9 Aoka ho kamboty ny zanany ary ho mpitondratena ny vadiny!

10 Ho mpirenireny mangataka anie ny zanany ary ho voaroaka lavitra ny fonenany rava!

11 Halain'ny tompon-trosa anie ny fananany rehetra ary ho olon-kafa no hifaoka ny vokatry ny asany!

12 Aoka tsy hisy hamindrafo aminy na koa hiantra ny zanany kamboty!

13 Ho lany tamingana anie izy ary amin'ny taranaka faharoa no aoka hanjavonan'ny lazany!

14 Hampahatsiahivina ny TOMPO anie ny heloky ny rainy ary tsy mba ho voakosoka ny fahotan-dreniny,

15 fa samy hotsarovan'ny TOMPO mandrakariva izany! Hofoanany eto amin'ity tany ity anie ny fahatsiarovana an'ireo olona ireo!

16 Izy io tsy mba nahalala namindrafo, fa nanenjika sy nanao izay hahafaty ny ory ary koa ny malahelo mbamin'ny rera-po.

17 Tia manozona izy, ka aoka hiantontany; tsy tia mitsodrano izy, ka aoka hidifiany!

18 Ny ozona no tahaka ny lamba itafiany; ka dia hanenika ny tenany tahaka ny rano anie izany ary ho ao anatin'ny taolany tahaka ny tsoka!

19 Ho toa akanjo mandrakotra azy anie ny ozona, ho toa etra mamatotra azy lalandava!"

20 TOMPO o, izany no ataon'ny mpiampanga ahy teo aminao; izany no afitsok'ireo olona mpanendrikendrika ahy.

21 Kanefa, ry TOMPO Andriamanitro o, hasoavy aho. Sarobidy ny fitiavanao, koa afaho re aho

22 satria mahantra sy malahelo sady misy ratram-po ato anatiko.

23 Lasa toa aloka miserana aho; voaroaka toa valala kopahina.

24 Fatra-pifady hanina aho ka mangozohozo ny lohaliko sady mahia kaozatra ny tenako.

25 Dia tonga fandatsan'ireo olon-dratsy aho, ka vao mijery ahy izy dia mihifikifi-doha.

26 TOMPO Andriamanitro o, mba ampio aho; vonjeo aho araka ny fitiavanao.

27 Aoka ho fantatry ny olon-dratsy fa asanao izao; sady Ianao, TOMPO o, no nanao izany ho ahy.

28 Izy manozona ahy, Ianao kosa mitsodrano; ka ny mpamely ahy ho menatra, izaho mpanomponao kosa hifaly.

29 Ny amin'ireo mpiampanga lainga ahy anie dia ny fahafaham-baraka no ho toa akanjo itafiany ary ny henatra no ho toa lamba mandrakotra azy!

30 Ho fatra-pisaotra ny TOMPO izany vavako; eny, eo afovoan'olona maro no hiderako Azy

31 noho Izy mijoro hiaro ny zon'ireo fadiranovana mba hamonjy azy amin'izay manameloka ho faty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0571