Salamo

Toko faha-108 (107)

1 Tononkira. Salamo nataon'i Davida.

2 Andriamanitra o, mitombina dia mitombina ny foko; ka hihira ho Anao aho sy hankalaza Anao amin-tsalamo.

3 Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga , fa tiako hofohazina ny mazavatsinanana.

4 TOMPO o, vory vahoaka no hiderako Anao; ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,

5 satria lehibe mihoatra noho ny lanitra ny fitiavanao ary avo tafapaka amin'ny rahona ny toetranao mahatoky.

6 Andriamanitra o, misandrata Ianao ho any an-tampon'ny lanitra; aoka anie ny voninahitrao hamiratra amin'ny tany tontolo!

7 Vonjeo amin'ny herinao aho ary valio vavaka, dia ho afaka ilay vahoaka malalanao.

8 Tao an-Toeramasiny no niteny Andriamanitra hoe: "Faly tokoa Aho fa hizara an'i Sekemasy ny lohasahan'i Sokota ho an'ny vahoakako ;

9 Ahy i Gilehada, Ahy koa i Manase; i Efraima no toy ny satro-by fiarolohako; i Joda no toy ny tehim-piandrianako.

10 I Moaba hampiasaiko toy ny tavy fisasako; i Edoma hanipazako kapa ho fananako ; i Filistia hanaovako horakora-pandresena."

11 Iza no hampiditra ahy ho eo anivon'i Edoma? Zovy no hitondra ahy ho amin'ilay tanana mafy?

12 Moa tsy Ianao ihany ve, Andriamanitra o? Kanefa izahay efa narianao mihitsy ary ny tafikay tsy iarahanao intsony.

13 Ampio re izahay hiady amin'ilay mpandrafy, fa tsy mankaiza ny famonjena ataon'ny olona.

14 Andriamanitra no hahazoanay fahombiazana goavana, satria Izy no hanitsakitsaka ireo mpandrafy anay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564