Salamo
Toko faha-107 (106)
1 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany !2 Aoka hiredona izany ny navotan'ny TOMPO, dia ireo navotany ho afaka teo an-tanan'ny mpampahory
3 ka nangoniny avy tany amin'ny tany rehetra atsinanana sy andrefana, avaratra sy atsimo !
4 Tao ireo nirenireny tany an-taniefitra aman-tany foana, tsy nahita tanana honenana akory,
5 noana sy nangetaheta, sady reraka aina koa tao anatiny.
6 Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin'ny fahatereny,
7 nentiny tamin'ny lala-mahitsy hahatongavana an-tanana honenana.
8 Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona,
9 fa ny main'ny hetaheta nomeny hosotroina ary ny reraky ny hanoanana novokisany soa!
10 Tao ireo nipetraka tao am-ponja maizim-pito, voagejam-pahoriana sy voagadra vy,
11 satria nikomy tamin'ny tenin'Andriamanitra sady naniratsira ny anatr'ilay Avo Indrindra.
12 Dia nofolahiny tamin'ny fahoriana ny fony; potraka izy, nefa tsy nisy mpanarina.
13 Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin'ny fahatereny,
14 navoaka ny tamin'ny haizim-pito sady novahany fatorana.
15 Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona,
16 satria ny vavahady varahina novakiny ary ny hidy vy notapatapahiny !
17 Tao ireo adala toetra nijaly tokoa noho ny hadisoana sy ny heloka vitany,
18 ka nomonamonainan'ny sakafo rehetra ary efa teo ambavahaonan'ny fahafatesana.
19 Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin'ny fahatereny,
20 nandefasany ny teniny, dia sitrana ary notsoahany tao anaty lavaka.
21 Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona!
22 Aoka izy hanolotra sorom-piderana sy hihoby mitanisa ny asan'Andriamanitra!
23 Tao ireo niainga hiantsambo an-dranomasina sy nanao raharaha teny ambony ranobe,
24 dia indreo nahita ny asan'ny TOMPO sy ny zava-mahagaga nataony an-drano lalina.
25 Fa vao niteny ny Tompo, dia nirongatra ny rivo-mahery ka nampisamboaravoara ny onjan-dranomasina.
26 Ny sambo nisavoana nanakatra ny lanitra, dia nitontona ao an-davaky ny onja; fadiranovana toa miempo ny ain'ny mpiantsambo.
27 Fanina izy sady nivembena toy ny mamo, ka very avokoa izay mba hakingany.
28 Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy fa ory ka notsoahany tamin'ny fahatereny.
29 Ny rivo-mahery novany ho tsiotsioka, ary ny onjan-drano nihanalefaka;
30 dia faly ny mpiantsambo fa nisy fitoniana sady nentin'ny Tompo an-tseranana irina.
31 Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona!
32 Aoka hanandratra Azy ny vahoaka tafangona ary hidera Azy ny loholona tafavory!
33 Ny TOMPO no manova ny ony ho taniefitra sy ny loharano ho tany mangentana
34 ary ny tany lonaka ho tanin-tsira, noho ny faharatsian'ny mponina eo.
35 Kanefa koa ny taniefitra ovany ho farihy, ny tany karankaina ho feno loharano
36 mba hamponenana ireo noana izay hanorin-tanana honenana,
37 hamafy eny an-tsaha sy hamboly voaloboka ka hanangona ny vokatr'ireny.
38 Tahin'ny TOMPO izy ka mihamaro fatratra; ny biby fiompiny koa tsy avelany hihavitsy.
39 Fa misy kosa firenena mihavitsy sy mietry noho ny fahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
40 Ataon'ny TOMPO rakotra henatra ny mpifehy ka mirenireny an-tany foana tsy misy lalana;
41 fa atrakany ho afa-pahoriana kosa ny mahantra ary hamaroiny toy ny andian'ondry ny fianakaviany.
42 Mahita izany ny olo-mahitsy ka mifaly; fa mikombom-bava kosa ny olon-dratsy rehetra.
43 Izay hendry, aoka hisaintsaina izany sy hahatsapa ny fitiavan'ny TOMPO!