Salamo
Toko faha-105 (104)
1 Midera ny TOMPO ianareo: ataovy antso avo ny lazany, ampahafantaro ny firenen-kafa ny asany lehibe.2 Mihira ho Azy ary mankalaza Azy amin-java-maneno; tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.
3 Ireharehao ny anarany masina; ianareo mitady ny TOMPO, aoka ho ravo ny fonareo!
4 Katsaho ny TOMPO mahery, tadiavo lalandava ny fanatrehany.
5 Tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany,
6 ry taranak'i Abrahama mpanompony sady terak'i Jakoba voafidiny.
7 Izy no TOMPO Andriamanitsika; manerana ny tany tontolo ny fanapahany.
8 Tsaroany hatrany ny fanekem-pihavanany, dia ny fampanantenana izay napetrany ho an'ny taranaka arivo mifandimby :
9 fanekem-pihavanana nataony tamin'i Abrahama sy fianianana nataony tamin'i Itsehaka.
10 Naoriny ho zo raikitra ho an'i Jakoba izany ka ho fanekem-pihavanana mandrakizay ho an'ny taranak'i Israely,
11 fony Andriamanitra nilaza hoe: "Homeko anao ny tany Kanahana ho anjara lova ho anao sy ny taranakao."
12 Tamin'izay izy ireo mbola mora isaina, mpifindra monina vitsy kely teo amin'ny tany.
13 Nivezivezy nitety firenena maro izy, ka niala tamin'ny fanjakana iray hankany amin'ny vahoaka hafa.
14 Nefa tsy nisy navelan'Andriamanitra hampahory azy fa nampitandrina mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
15 Aza kasihina ireo voahosotro ary aza asian-dratsy ireo mpitondra hafatro.
16 Niantso mosary ho amin'ny tany Izy ka nanafoana ny sakafo rehetra.
17 Nefa naniraka olona hialoha an'ireo Izy, dia i Josefa izay namidy handevozina.
18 Nogiazana tady ny tongony ary norohizana rojo vy ny vozony ,
19 mandra-pahatanterahan'ny zavatra nambarany; ny tenin'ny TOMPO no naneho azy ho tsy manan-tsiny !
20 Nanome baiko hamahana azy ny mpanjaka; eny, nampanafaka azy ny mpifehy vahoaka.
21 Notendreny ho lehiben'ny fitondram-panjakana izy sy ho mpanapaka ny taniny manontolo ,
22 mba hisarika ny andriambaventy hanaraka ny heviny sy hanolo-pahendrena an'ireo loholom-bahoaka.
23 Taorian'izany, dia tonga tany Ejipta i Jakoba mianakavy ary nifindra monina tao amin'ny tanin'i Hama.
24 Nohamaroin'Andriamanitra tokoa ny vahoakany ary nataony mahery noho ny mpampahory azy.
25 Ny fon'ireo Ejiptianina novany hankahala ny vahoakany sy hanao kendry tohina amin'ireo mpanompony.
26 Kanjo nirahiny i Mosesy mpanompony sy i Aharona ilay voafidiny :
27 Izy roa lahy no naneho teo amin'ny Ejiptianina ireo famantarana nambaran'ny Tompo mialoha ary nahavita zava-mahagaga teo amin'ny tanin'i Hama.
28 Dia nahatonga haizim-pito Andriamanitra ka nanjary maizina izany tany izany ary tsy nisy nahatohitra ny teniny.
29 Novany ho ra ny oniny ka maty avokoa ny trondrony ;
30 nataony feno sahona ny tanin'ny Ejiptianina hatrany amin'ny efitranon'ny mpanjakany.
31 Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra sy moka nihanaka tamin'ny faritany manontolo.
32 Havandra no narotsany ho solon'ny orana ary koa varatra izay nandoro ny tanetiny.
33 Nosimbany ny voalobony sy ny aviaviny ary nopotehiny ny hazo tamin'ny faritaniny.
34 Niteny Izy, dia tonga ny valala sy ny kijeja tsy hita isa
35 ka nihinana ny ahitra rehetra an-tanety sy nihinana ny vokatr'ireo tanimboliny.
36 Novonoin'Andriamanitra ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tamin'io tany io, dia ireo santatry ny hery tamin'ny ankohonana ejiptianina.
37 Fa navoakany kosa ilay vahoakany nomban'ny volafotsy sy volamena ; ka tsy nisy tamin'ireo fokony izay hoe narisarisa na iray aza.
38 Ravoravo ny Ejiptianina rehefa niala ny Israelita, satria efa nianjadian'ny tahotra azy loatra.
39 Dia novelarin'Andriamanitra ny rahona hanalokaloka ny vahoakany, ary najorony koa ny afo hanazava azy nony alina.
40 Nangataka ireo, dia nandefasany papelika; ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy.
41 Nosokafany ny vatolampy, dia nigororoana ny rano ka zary renirano nizotra teny an-tany hay.
42 Eny, tsaroan'Andriamanitra ny teniny masinana taony tamin'i Abrahama mpanompony.
43 Dia navoakany ny vahoaka voafidiny, ka niravo sy nanao horakora-pifaliana;
44 nomeny azy ny tanin'ireo hafa firenena ka izay nisasaran'izy ireny no lasany,
45 mba hitandremany ny didiny sy hankatoavany ny Lalanany. Haleloia!