Salamo

Toko faha-104 (103)

1 Nataon'i Davida. Aoka hisaotra ny TOMPO aho! TOMPO Andriamanitro o, lehibe indrindra Ianao; fiandrianana sy famirapiratana no itafianao,

2 fahazavana no lamba ifonosanao. Mamelatra ny lanitra ho toa tranolay Ianao

3 ary nametraka rihana hataonao fonenana any ankoatran'ny rano ambony any. Nataonao kalesy ny rahona hisosanao amin'ny elatry ny rivotra;

4 nataonao haingam-pandeha toy ny rivotra ny anjelinao, nataonao mirehidrehitra toy ny tselatra ny mpanomponao.

5 Nanorina ny tany teo ambony fanorenany Ianao mba tsy hihetsehany mandrakizay mandrakizay.

6 Ny rano be tamin'izay no toa lamba narakotrao azy ka nandifotra ny tampon-tendrombohitra aza.

7 Kanefa, noho ny fandrahonanao, dia nandositra ny rano; noho ny feon'ny kotrokoranao, dia nirifatra ireny

8 ka nihoarany ny tendrombohitra ary nidinany ny lohasa hamba hankanesany any amin'ny toerana izay efa naraikitrao ho azy.

9 Nanisy faritra tsy azony hihoarana Ianao mba tsy hiverenany hanarona ny tany intsony.

10 Nampiboika loharano eny an-dohasaha Ianao, ka nampikoriana azy anelanelan-tendrombohitra

11 mba hisotroan'ny bibidia rehetra sy hialan'ny borikidia hetaheta.

12 Amin'ny hazo eny amoron-drano eny no manao akany ny voro-manidina izay mikarantsana anaty ravin-kazo.

13 Avy any an-danitra fonenanao any no andefasanao orana amin'ny tendrombohitra; ka dia ny ranon'ny lanitrao no mampahavokatra ny tany.

14 Mampaniry ny ahitra ho an'ny biby fiompy Ianao sy mampaniry ny zavatra volen'ny olona, ary mampamokatra hanina ny tany:

15 dia divay hampifaly ny fon'ny olona, sy menaka hahamiramirana ny endriny ary mofo hanome tohan'aina azy.

16 Voky rano koa ireo hazo vaventy, dia ny sedera voavoly any Libano.

17 Eny no manao akany ny voronkely; eny ambony kipreso no manao trano ny vano.

18 Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osidia; ny harambato kosa fierena ho an'ny sokina.

19 Nataonao hamantaram-potoana ny volana sy ny masoandro izay mahalala ny hilentehany.

20 Arosonao ny haizina, dia tonga ny alina izay hihetsiketsehan'ny biby rehetra ao an'ala.

21 Manerona ny liona tanora manenjika ny hazany: mitaky sakafo aminao Andriamanitra izy.

22 Nony miposaka ny masoandro, dia midify ireny ka lasa misitrika any an-davany any.

23 Ny olona kosa mivoaka hanao ny raharaha ny sy hiasa mandra-paharivan'ny andro.

24 Endrey ity hamaroan'ny asanao, TOMPO o! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra: henika ny zava-boaarinao ny tany!

25 Ny ranomasina, indro lehibe sy midadasika; ao no miriaria tsy tambo isainana ny biby madinika na ny vaventy;

26 ao no mivezivezy ny sambo; ao koa i Leviatana, ilay trozona namboarinao ho tsilalaonao.

27 Izy rehetra ireny dia miankina aminao, mba hanome hanina azy ara-potoana.

28 Raha manome Ianao, dia mandray izy; raha sokafanao ny tananao,dia voky zava-tsoa izy.

29 Raha lavinao ny hijery azy, dia mitebiteby izy; raha alainao ny ainy, dia maty izy ka miverina ho vovoka indray.

30 Alefanao ny Fanahinao, dia ary indray ireo ka mihavao ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany.

31 TOMPO o, ho mandrakizay anie ny voninahitrao ary aoka Ianao hifaly amin'ny asa vitanao!

32 Fa jerenao ny tany, dia mihorohoro; tendrenao ny tendrombohitra, dia midona-tsetroka.

33 TOMPO Andriamanitro o, ho hiraiko Ianao mandritra ny fiainako manontolo ary hankalazaiko amin-tsalamo raha mbola velona aina koa aho.

34 TOMPO o, ho sitrakao anie ny tononkaloko fa noho ny aminao no ifaliako!

35 Ho fongotra amin'ny tany kosa anie ny mpanota, ary tsy hisy intsony ny olon-dratsy! Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho! Haleloia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0611