Salamo

Toko faha-103 (102)

1 Nataon'i Davida. Aoka hisaotra ny TOMPO aho, hisaotra eram-po ny anarany masina!

2 Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho, ka tsy hisy hohadinoiko ny soa nataony!

3 Fa Izy no mamela ny heloko rehetra ary manasitrana ny aretiko rehetra.

4 Avotany tsy ho any an-davaka ny aiko; rakofany fitiavana sy indrafo aho.

5 Fenoiny fahasambarana ny fiainako, ka tanora sy matanjaka toa voromahery aho.

6 Omen'ny TOMPO rariny sy hitsiny izay rehetra ampahorina.

7 Efa nampahafantatra ny fikasany tamin'i Mosesy Izy ary ny asany mahery tamin'ny vahoaka israelita.

8 Mpamindrafo sy mpiantra ny TOMPO, tsy mora tezitra ary be fitiavana.

9 Tsy mba mandevilevy lalandava Izy, tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.

10 Tsy araka ny otantsika no anafaizany antsika, tsy araka ny helotsika no amaliany antsika.

11 Fa tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany no haben'ny fitiavany amin'izay manaja Azy;

12 tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana no hampanalavirany amintsika ny hadisoantsika.

13 Tahaka ny fangoraky ny ray an'ireo zanany no angorahan'ny TOMPO an'izay manaja Azy.

14 Satria fantany ny namolavolana antsika, ka tsaroany tokoa fa vovoka isika.

15 Toy ny ahitra ny androm-piainan'ny olombelona, toy ny voninkazo eny an-tsaha ny famoniny:

16 rehefa tsofin'ny rivotra izy, dia foana ka tsy mahalala azy intsony ny toerany.

17 Fa ny fitiavan'ny Tompo kosa dia hatrizay ka ho mandrakizay amin'ireo olona manaja Azy; ary ny fahamarinany hihatra amin'ny taranaka mandimby,

18 izay mitandro ny fanekem-pihavanany ka mahatsiaro hanatanteraka ny baikony.

19 Naorin'ny TOMPO any an-danitra ny seza fiandrianany, mifehy an'izao rehetra izao ny fanjakany.

20 Misaora ny TOMPO, ianareo anjeliny izay hery voafantina mpanatanteraka ny teniny ka mankato Azy raha vao mandre ny baikony.

21 Misaora ny TOMPO, ianareo andian-tafiny rehetra izay mpanompony mpanatanteraka ny sitrany.

22 Misaora ny TOMPO, ianareo voaariny rehetra amin'ny toeran-drehetra izay anapahany. Izaho koa, aoka hisaotra ny TOMPO!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575