Salamo
Toko faha-102 (101)
1 Vavaky ny ory, rehefa trotraka izy ka mamboraka ny taraina ny amin'ny TOMPO.2 TOMPO o, mba henoy vavaka aho; aoka ho tonga any aminao ny tarainako!
3 Aza lavinao ny hijery ahy amin'ny androm-pahoriako. Anongilano sofina aho ka valio faingana amin'ny andro iantsoako vonjy aminao.
4 Fa levona toy ny setroka ny androm-piainako, ary kila toy ny tapa-porohana ny faraheriko.
5 Toy ny ahitra voakapa ny foko ka malazo; hadinoko mbamin'ny homan-kanina aza.
6 Reraka noho ny fisentoako aho, ka taolana sisa no mipetaka amin'ny hoditro.
7 Sahala amin'ny vorondreo any an-taniefitra aho ary tahaka ny vorondolo an-tanana aolo.
8 Tsy mahita tory aho, fa mitoloko tahaka ny voro-manirery eny an-tafontrano.
9 Tontolo andro aho latsaim-pahavalo sady iozonany amin-karomotana.
10 Lavenona no toy ny sakafo hohaniko, haroiko ranomaso ny zavatra sotroiko.
11 Noho ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao, dia ningainao aho ka natsipinao lavitra.
12 Toy ny fandroson'ny aloka ny androm-piainako; ary mihamalazo toy ny ahitra ny tenako.
13 Ianao kosa, TOMPO o, manjaka mandrakizay ary maharitra hatrany hatrany ny lazanao.
14 Hirotsaka an-tsehatra Ianao ka hamindrafo amin'i Tsiona, fa tonga ny fotoana hiantranao azy; eny, izao no fotoana mety amin'izany.
15 Fa sitrakay mpanomponao i Tsiona, na dia rava aza ny rari-vatony; ary mampangorakoraka anay izy, na dia voarodana zary vovotany aza.
16 Aoka ny firenen-kafa rehetra haneho fanajana ny TOMPO; ary aoka hiaiky Azy be voninahitra ny mpanjaka rehetra eto an-tany!
17 Fa rehefa hanangana indray an'i Tsiona izy ka hiseho miharihary amim-boninahitra,
18 dia hitodika ny vavak'ireo norobaina ary tsy hanositosika ny fangatahany.
19 Soraty izany ho an'ny taranaka any aoriana ka hidera ny Tompo ireo vahoaka mbola ho ary.
20 Avy any an-Toeramasiny any ambony ny TOMPO no miondrika mba hijery; avy any an-danitra any Izy no nitazana an'ity tany ity,
21 ka nihaino ny tarainan'ireo voafonja sy namaha ny fatoran'ireo voaheloka ho faty.
22 Dia hambara ao Tsiona ny lazan'ny TOMPO ary hohiraina ao Jerosalema ny fiderana Azy,
23 rehefa ho tafaray ao ireo vahoaka sy ireo fanjakana mba hanao fanompoam-pivavahana ho an'ny TOMPO.
24 Mbola teo antsasa-dalam-piainako aho, TOMPO o, no nahenanao ny heriko ary nohafohezinao ny androko.
25 Ka hoy aho hoe: "Andriamanitra o, aza alainao eny antenatenan'ny androm-piainako aho; fa ny taonanao tsy mba ho tapitra rahoviana."
26 Fahiny ela be no nanorenanao ny tany sy nanamboaranao ny lanitra.
27 Mbola ho levona ireo fa Ianao kosa maharitra. Mihatonta toy ny fitafiana ireo; hosoloanao toa akanjo, dia voasolo;
28 fa Ianao kosa tsy mba miova ary ny taonanao tsy mba hifarana.
29 Ny zanakay hiorim-ponenana feizay ary ny taranakay hateza eo anatrehanao.