Nomerỳ

Toko faha-5

1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba handidy ny Israelita hoe: Aoka havoaka hiala ny toby avokoa izay rehetra marary hoditra, na voan'ny angatra, na maloto nikasi-paty!

3 Havoakanareo any ivelan'ny toby ireo na lahy na vavy mba tsy handotoany ny toby izay itoerako eo afovoany.

4 Nankatoavin'ny Israelita izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy, ka navokany any ivelan'ny toby avokoa izay rehetra maloto.

5 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

6 mba hamepetra ny Israelita hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin'ny TOMPO satria nanao izay mampalahelo olona, dia meloka tokoa tokoa izy.

7 Tsy maintsy hiaiky ny fahotana nataony izy ka hanonitra amin'ny tompony izay zavatra nalainy, miampy ny ampahadimin'ny vidiny.

8 Raha tahiny maty ilay tompon-javatra sady tsy manan-kavana akaiky hahazoana manonitra ilay zavatra, dia homena ny TOMPO io, izany hoe ho an'ny mpisorona; manginy fotsiny ny ondrilahy hatao sorom-panonerana ka hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka. 9 Ny fanatitra isan-karazany ataon'ny Israelita momba ny zava-masina izay arosony eo amin'ny mpisorona dia an'ny mpisorona.

10 Azy ny zava-masina aterin'ny olona tsirairay; ary na inona na inona omen'ny olona ny mpisorona dia azy koa.

11 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

12 mba hamepetra ny Israelita hoe: Mety hisy vehivavy nanitsakitsaka ny vadiny;

13 lehilahy hafa no nanao firaisana taminy ka nandoto azy, nefa tsy hitan'ny lahy izy fa niafina sady tsy misy vavolombelona hiampanga azy no tsy tratra am-bodiomby koa.

14 Dia saropiaro ny lahy ka miahiahy ny vadiny sady voaloto tokoa io; na saropiaro izy ka miahiahy ny vadiny saingy tsy voaloto kosa io.

15 Na ahoana na ahoana, dia hitondra ny vadiny eo amin'ny mpisorona ralehilahy ka hanolotra fanatitra noho ny amin-dravehivavy, dia lafarinina orza telo kilao. Tsy handrarahany menaka io lafarinina io sady tsy hasiany vovo-javamanitra satria fanatitra noho ny fahasaropiaro, fanati-piampangana natao hanehoana fahadisoana.

16 Ary hoentin'ny mpisorona eo amin'ny Toeramasina ravehivavy mba hiseho eo anatrehan'ny TOMPO.

17 Dia hisy rano manan-kasina halain'ny mpisorona amin'ny lovia tany ka hafangarony amin'ny vovoka noraofina teo amin'ny tanin'ny Fonena-masina.

18 Harakorakon'ny mpisorona ny volon'ilay vehivavy miseho eo anatrehan'ny TOMPO, ary hapetrany eo am-pelatanany ny fanati-piampangana, izany hoe ny fanati-pahasarotam-piaro. Fa ny mpisorona kosa hitana ny rano mangidy izay mitondra ozona.

19 Hampianiana an-dravehivavy izy ka hanao aminy hoe: Raha tsy marina fa nisy lehilahy niray taminao ka nandoto anao tamin'ny fanitsakitsahanao ny vadinao, dia afaka amin'ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.

20 Fa raha voaloto tamin'ny nanitsakitsahanao ny vadinao kosa ianao, ka niray tamin'olon-kafa ankoatra ny vadinao,

21 dia hataon'ny TOMPO ohatry ny fanozonana sy fianianana eo amin'ny firenenao anie ianao; hataony momba koa anie ianao ary hampivontosiny ny kibonao;

22 ity rano mitondra ozona ity anie no hiditra ao an-kibonao ka hampivonto azy sy hahamomba anao! Dia hamaly ravehivavy hoe: 'Amen! Ho tanteraka anie izany!'

23 Horaiketin'ny mpisorona an-tsoratra izany tsitsika izany ka hasitriny ao anatin'ny rano mangidy ny taratasy mba hahavoafafa ny soratra.

24 Hampisotroiny an-dravehivavy ny rano mangidy mitondra ozona; ary io rano io dia hiditra ao an-kibony ka ho tonga mangidy aminy.

25 Alohan'ny hanomezana rano an-dravehivavy, dia halain'ny mpisorona eo an-tanan-dravehivavy ny fanati-pahasaropiaro, dia hahevahevany eo anatrehan'ny Tompo ary hoentiny eo amin'ny alitara.

26 Hangalan'ny mpisorona eran'ny tanana, ho fampahatsiarovana ny TOMPO izany fanatitra izany ka hodorany hanetona eo amin'ny alitara; izay vao hampisotroiny an-dravehivavy ny rano.

27 Rehefa avy nisotro izy, dia izao no hiseho: raha voaloto izy satria nanitsakitsaka tokoa ny vadiny, dia hiditra ao aminy hanjary mangidy ny rano mitondra ozona ka hampibontsina ny kibony sady hahatonga azy ho momba; ary ho ohatry ny fanozonana eo amin'ny fireneny ravehivavy.

28 Fa raha tsy voaloto kosa izy fa madio, dia tsy hanan-tsiny ka mbola afaka hiteraka.

29 Izany no lalana momba ny fahasaropiaro, raha misy vehivavy ratsy fitondrantena ka voaloto tamin'ny fanitsakitsahana ny vadiny

30 na misy lehilahy azon'ny fahasaropiaro ka miahiahy ny vadiny: hasain'ny lahy miseho eo anatrehan'ny TOMPO ravehivavy hampiharan'ny mpisorona izany fombam-pivavahana rehetra izany.

31 Tsy hanan-tsiny amin'izay ny lahy; fa ny vavy kosa raha meloka, dia handray ny vokatr'izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0561