Nomerỳ
Toko faha-36
1 Nisy nanatona an'i Mosesy sy ny filohan'ny foko israelita ireo taranak'i Josefa, dia ny loham-pianakaviana avy amin'ny tarik'i Gilehada zanakalahin'i Makira sady zafikelin'i Manase,2 ka nanao hoe: Efa nodidian'ny TOMPO hizara antsapaka ny tany ho an'ny Israelita ianao, ry Mosesy, ary efa nodidiany ihany koa hanome ny zara tanin'i Tselofehada rahalahinay ho an'ny zanakavaviny.
3 Raha manambady lehilahy avy amin'ny foko israelita hafa ireo vehivavy ireo, dia hoesorina amin'ny zara tanin-drazanay ny zara taniny ka hanampy ny anjaran'ny foko izay hidirany izany, ary dia hampihena ny anjara izay azonay tamin'ny antsapaka.
4 Rehefa tonga manko ny taon-jobily ho an'ny Israelita, ny zara tanin'ireo zanakavavin'i Tselofehada dia hanampy ny an'ny foko izay hidirany, ary hoesorina tanteraka amin'ny zara tany azon'ny razanay.
5 Dia nanome izao didy izao araka ny tenin'ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: Marina ny an'ireto taranak'i Josefa ireto.
6 Izao no teny izay nandidian'ny TOMPO momba ny zanakavavin'i Tselofehada: aoka izy hanambady izay tiany, nefa lehilahy ao amin'ny tarika nisy an-drainy ihany no hovadiny.
7 Amin'izay dia tsy hisy zara tany hifindra foko eo amin'ny Israelita, fa samy ho eo amin'ny zara tany azon'ny fokon-drainy avy no hifikiran'ny Israelita.
8 Ny tovovavy rehetra, izay handova eo amin'ny foko israelita anankiray, dia hanambady lehilahy ao amin'ny tarika nisy an-drainy ihany. Izay no hitazonan'ny Israelita tsirairay avy ny zara tany azon'ny razany;
9 ary tsy hisy zara tany hifindra foko, fa samy ho eo amin'ny zara taniny avy no hifikiran'ny foko israelita.
10 Dia nataon'ny zanakavavin'i Tselofehada araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy izany,
11 ka i Mahela sy i Tiritsa, i Hogla sy i Milka ary i Noha dia samy nanambady ny zanakalahin-drahalahin-drainy avy;
12 izany hoe lehilahy taranak'i Manase, zanakalahin'i Josefa, ihany no fanambadian'ireo; ka tafajanona tamin'ny fokon-drainy ihany ny zara tany izay nolovany.
13 Ireo no didy amam-pitsipika nomen'ny TOMPO ny Israelita tamin'ny alalan'i Mosesy tao amin'ny lemak'i Moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jerikao.