Nomerỳ

Toko faha-35

1 Tao amin'ny lemak'i Moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jerikao ihany, no nitenenan'ny TOMPO tamin'i Mosesy mba hamepetra ny Israelita hoe:

2 Aoka ianareo hanome tanana eo amin'ny zara tany fanananareo avy ho an'ny Levita mba honenany. Homenareo azy koa ny tany manodidina hiandrasany ny bibiny.

3 Ny tanana dia ho azy mba honenany, fa ny tany kosa ho an'ny biby fiompiny sy ny fitaovany ary ny bibiny hafa rehetra.

4 Koa ny tany manodidina ny tanana izay homenareo ny Levita dia dimanjato metatra miala avy eo amin'ny rindrin'ny tanana amin'ny lafiny efatra.

5 Handrefy faritra efamira ivelan'ny tanana ianareo ka arivo metatra ny lafiny atsinanana, arivo metatra ny lafiny atsimo, arivo metatra ny lafiny andrefana ary arivo metatra ny lafiny avaratra; dia ho eo anivon'io faritra io ny tanana. Izany no ho tanin'ny Levita manodidina ny tanana.

6 Ny tanana homenareo ny Levita dia ny tanana enina fialokalofana, izay hataonareo fandosiran'izay nahafaty olona, ary tanana hafa 42 ihany koa.

7 Ka ny fitambaran'ny tanana rehetra izay homenareo ny Levita dia 48, miaraka amin'ny tany manodidina hiandrasany ny bibiny.

8 Ary momba ireo tanana izay halainareo avy amin'ny tanin'ny Israelita, dia izay foko lehibe no hanalanareo maro kokoa, fa izay foko kely kosa dia hanalanareo vitsy kokoa; eny, samy hanome tanana ho an'ny Levita araka ny zara tany azony avy ny foko tsirairay.

9 Niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO

10 mba hamepetra ny Israelita hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ka tafiditra amin'ny tany Kanahana ianareo,

11 dia hifidy tanana izay hataonareo tanana fialokalofana, mba hialokalofan'izay nahafaty olona tsy nahy.

12 Ireo tanana ireo no ho fialokalofana mba hahafahanareo mandositra ny mpamaly faty; ka tsy ho faty izay nahafaty olona alohan'ny hisehoany fitsarana eo anatrehan'ny fiangonana.

13 Hisy tanana enina havahanareo ho fialokalofana,

14 ny telo ety an-dafy atsinanan'i Jordana ary ny telo hafa ao amin'ny tany Kanahana: ho tanana fialokalofana ireo.

15 Ny olona rehetra, na Israelita izy na vahiny miara-monina amin'ny Israelita ka nahafaty olona tsy nahy, dia afaka mialokaloka amin'ireo tanana enina ireo.

16 Raha vy no namelezana ka nahafaty olona, dia mpandatsaka aina izay manao izany ka hatao maty.

17 Raha vato no namelezana ka nahafaty olona, dia mpandatsaka aina izay nanao izany ka hatao maty.

18 Raha hazo no namelezana ka nahafaty olona, dia mpandatsaka aina izay nanao izany ka hatao maty.

19 Ny mpamaly faty no hamono hahafaty ny mpandatsaka aina, raha vao mahita azy izy.

20 Raha fankahalana no nandonana olona na koa lolom-po no nitorahana azy ka nahafaty azy,

21 na filana ady no namelezana totohondry olona ka nahafaty azy, dia hatao maty ilay mpamely satria mpandatsaka aina; ny mpamaly faty no hamono hahafaty ny mpandatsaka aina, vantany vao tafahaona aminy.

22 Kanefa mety tsy nahy na tsy filana ady no nandonana olona; mety tsy lolom-po no nitorahana zavatra azy;

23 mety misy sendra manjera vato ka nahafaty olona tsy nahy, saingy tsy fahavalon'io olona io izy sady tsy nitady handratra azy.

24 Amin'izay, dia hotsarain'ny fiangonana araka izany lalana izany ny mpamely sy ny mpamaly faty.

25 Harovan'ny fiangonana amin'ny mpamaly faty ilay nahafaty olona, ka hateriny indray any amin'ny tanana izay nialokalofany. Hitoetra ao amin'io tanana fialokalofany io ilay nahafaty olona tsy nahy mandra-pahafatin'ny mpisorombe izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.

26 Fa raha mivoaka ho ao ivelan'ny tanana fialokalofana kosa izy,

27 ka hitan'ny mpamaly faty, dia azon'io vonoina ho faty; ary tsy meloka ny mpamaly faty amin'izany,

28 satria ilay nahafaty olona tsy nahy dia tokony ho nitoetra tao amin'ny tanana fialokalofany mandra-pahafatin'ny mpisorombe; fa rehefa maty kosa io, dia mahazo mody any amin'ny zara tany fananany ihany ilay nahafaty olona tsy nahy.

29 Izany fomba fanao izany dia hampiharinareo hatrany, na aiza na aiza honenanareo.

30 Raha misy namono nahafaty olona, dia tsy azo helohina ho faty izy raha tsy noho ny filazan'ny vavolombelona maro. Tsy hisy fanamelohana ho faty noho ny filazan'ny vavolombelona tokana.

31 Tsy handray kolikoly ianareo mba hanavotana ny ain'izay nahafaty olona ka meloka tokony ho faty; eny, hatao maty tokoa izy.

32 Tsy handray kolikoly koa ianareo mba hamelana azy handositra any amin'ny tanana fialokalofana na hamelana azy hiverina any amin'ny taniny alohan'ny hahafatesan'ny mpisorombe.

33 Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny famonoana olona dia fandotoana ny tany. Ary raha misy olona voalatsa-dra, ny tany dia tsy hadio raha tsy maty ny mpandatsa-dra.

34 Aza mandoto ny tany izay honenanareo sady honenako eo afovoanareo koa, fa Izaho no TOMPO Izay mitoetra eo anivon'ny Israelita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0584