Nomerỳ

Toko faha-34

1 Niteny tamin'i Mosesy koa ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Rehefa tafiditra any amin'ny tany Kanahana ianareo, dia izao no tany izay ho anjara lovanareo araka ireto sisin-tany ireto:

3 Any atsimo, ny taninareo dia voafaritry ny taniefitra Tsina sy ny tanin'i Edoma. Izany dia manomboka avy eo atsinanana ao amin'ny tendrony atsimon'ny Ranomasina Maty;

4 avy eo dia miolaka eo atsimon'ny fiakaran'i Akrabima, dia mandalo an'i Tsina, dia mahazo ny atsimon'i Kadesy-Barnea sy mipaka any Hatsara, ary mitohy hatrany Hatsemona;

5 avy eo Hatsemona, dia miolaka any amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta ary miafara amin'ny Ranomasina Mediteranea.

6 Any andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea no mamaritra ny taninareo.

7 Any avaratra dia hofaritanareo ny sisin-tany manomboka amin'ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany amin'ny tendrombohitra Hora.

8 Avy eo an-tendrombohitra Hora, dia ny lalana mankany Lebo-Hamata no hamaritanareo azy, ary hipaka any Tsedada.

9 Dia hitohy hatrany Zifrona izany ka hiafara any Hatsara-Heinana. Izany no sisin-taninareo any avaratra.

10 Any atsinanana dia hofaritanareo ny sisin-tany manomboka eo Hatsara-Heinana ka hatrany Sefama.

11 Avy eo dia mahazo an'i Ribla atsinanan'i Haina, dia midina mipaka amin'ny sisiny atsinanan'ny farihin'i Kinereta,

12 ka hitsontsorika hatrany Jordana ary hiafara any amin'ny Ranomasina Maty. Izany no taninareo araka ny sisin-tany manodidina azy.

13 Dia namepetra ny Israelita i Mosesy ka nanao hoe: Izany no tany izay nandidian'ny TOMPO fa hozarainareo antsapaka ho an'ny foko sivy sy sasany.

14 Fa ny foko robenita sy ny foko gadita ary koa ny antsasaky ny fokon'i Manase dia efa samy nahazo ny zara taniny,

15 dia aty an-dafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jerikao manatrika ny fiposahan'ny masoandro.

16 Dia niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:

17 I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona no hisahana ny fizarana ny tany.

18 Hisy tompon'andraikitra iray avy isam-poko hotendrenareo hanampy azy amin'izany.

19 Izao avy ny anaran'izy ireo: ho an'ny fokon'i Joda dia i Kaleba zanakalahin'i Jefone;

20 ho an'ny fokon'i Simehona, dia i Semoela zanakalahin'i Hamihoda;

21 ho an'ny fokon'i Benjamina, dia i Elidada zanakalahin'i Kislona;

22 ho an'ny fokon'i Dana, dia i Boky zanakalahin'i Jogly;

23 ho an'ny fokon'i Manase zanak'i Josefa, dia i Haniela zanakalahin'i Efoda;

24 ho an'ny fokon'i Efraima zanak'i Josefa, dia i Kemoela zanakalahin'i Siftana;

25 ho an'ny fokon'i Zebolona, dia i Elitsafana zanakalahin'i Parnala;

26 ho an'ny fokon'i Jisakara, dia i Paltiela zanakalahin'i Hazana;

27 ho an'ny fokon'i Asera, dia i Ahihoda zanakalahin'i Selomy;

28 ho an'ny fokon'i Naftaly, dia i Pedahela zanakalahin'i Hamihoda.

29 Ireo no olona nodidian'ny TOMPO hisahana ny fizarana ny tany Kanahana ho an'ny Israelita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564