Nomerỳ

Toko faha-32

1 Nanana andiana biby fiompy marobe ny taranak'i Reobena sy ny taranak'i Gada. Rehefa hitany fa mety hiompiana tsara ny faritr'i Jahezera sy ny tanin'i Gilehada,

2 dia niteny tamin'i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny filohan'ny fiangonana izy roa tonta ka nanao hoe:

3 I Hatarota sy i Dibona, i Jahezera sy i Nimra, i Hesbona sy i Elehale, i Sebama sy i Nebao ary i Behona dia tanana

4 anisan'ny tany izay azon'ny Israelita noho ny fanampian'ny TOMPO. Tany tsara iompiana biby izany; ary izahay rahateo dia manana biby fiompy maro.

5 Hoy koa ny Reobenita sy ny Gadita hoe: Raha ekenao ihany ny soso-kevitray, ry Mosesy, dia aoka io tany io mba homena anay ho zarataninay, fa aza entina mita an'i Jordana izahay.

6 Dia hoy i Mosesy tamin'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Reobena: Ahoana hoe? Ny mpiray firenena aminareo handeha hanafika, ka ianareo kosa ve hijanom-potsiny eto?

7 Nahoana ny Israelita no kivinareo tsy hankany amin'ny tany izay nomen'ny TOMPO azy?

8 Nanao fahadisoana toy izany koa ny rainareo, raha nirahiko avy tao Kadesy-Barnea hisafo ny tany Kanahana izy.

9 Fa raha tonga tao an-dohasahan'i Eskola izy ka nahita ny tany, dia nanakivy ny Israelita mba tsy hankanesany any amin'ny tany izay nomen'ny TOMPO azy.

10 Nirehi-pahatezerana ny TOMPO tamin'izay andro izay, ka nianiana nanao hoe:

11 Ireo olona izay niakatra avy tany Ejipta ka feno roapolo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba fa homena azy, satria tsy nanaraka ny teniko izy.

12 I Kaleba, zanakalahin'i Jefone izay anisan'ny tarik'i Kenaza, ary i Josoa zanakalahin'i Nona ihany no hiditra any, satria izy roa lahy no nanaraka ny teniko.

13 Tezitra aoka izany tamin'ny Israelita ny TOMPO ka nampirenireny azy efapolo taona tany an-taniefitra mandra-pahalany tamingana izay rehetra nanao ratsy teo anatrehany.

14 Ary ianareo, ry andian'olona mpanota, indreo ianareo fa manara-dia ireo rainareo ka hampirehitra indray ny fahatezeran'ny TOMPO amin'ny Israelita.

15 Fa raha tsy mety manaraka ny Teniny ianareo, dia hohalavainy ny fitoeran'ny Israelita aty an-taniefitra, ary ho tompon'andraikitra amin'ny fahavoazan'izao vahoaka rehetra izao ianareo.

16 Dia nanatona an'i Mosesy ny Reobenita sy ny Gadita ka nanao taminy hoe: Hanao vala ho an'ny biby fiompy sy tanana ho an'ny fianankavianay eto izahay;

17 ary avy eo dia handray fiadiana faingana ka handeha eo alohan'ny Israelita mandra-panatitray azy any aminy, fa ny fianakavianay kosa hijanona ao amin'ny tanana mimanda mba ho voaaro amin'ny mponina eto amin'ny faritany.

18 Tsy hody izahay raha tsy tafapetraka amin'ny zara taniny avy ny Israelita.

19 Fa tsy hiara-mandova aminy ny any an-dafy andrefan'i Jordana izahay, satria ny anjara lovanay dia aty an-dafy atsinanan'i Jordana.

20 Dia hoy i Mosesy tamin'ny Reobenita sy ny Gadita: Raha izany no ataonareo, dia raiso ny fiadianareo mba hiantafika eo ambany fifehezan'ny TOMPO;

21 ary aoka ny lehilahy vonon-kiady rehetra hiampita eny an-dafy andrefan'i Jordana araka ny fifehezan'ny TOMPO ka haharitra ao mandra-pandroakan'ny Tompo ireo fahavalony!

22 Rehefa resy eo anatrehan'ny TOMPO io tany io, dia hody ianareo ka ho afa-tsiny amin'ny TOMPO sy amin'ny Israelita hafa; ary hoeken'ny TOMPO ho fanananareo ity tany ity.

23 Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia manota amin'ny TOMPO, ary fantaro fa ianareo ihany no hifoteran'ny vokatry ny fahotanareo.

24 Manaova tanana ho an'ny fianakavianareo ary vala ho an'ny ondry aman'osinareo; nefa tanteraho izay fampanantenana naloaky ny vavanareo.

25 Dia niteny tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Reobena ka nanao hoe: Hanao araka izay nandidianao izahay, tompoko.

26 Ny vady aman-janakay sy ny ondry aman'osinay ary ny biby hafa rehetra fiompinay dia hajanonay eto amin'ny tananan'i Gilehada;

27 fa izahay kosa dia efa samy vonon-kiady avokoa ka handeha hiantafika eo ambany fifehezan'ny TOMPO, araka izay nolazainao, ry Mosesy.

28 Dia nomen'i Mosesy baiko ny amin'ireo i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona ary ny filoham-pianakaviana tamin'ny foko israelita

29 ka nilazany hoe: Raha hiara-mita an'i Jordana aminareo ny miaramila gadita sy robenita rehetra mirongo fiadiana mba hiantafika eo ambany fifehezan'ny TOMPO, ka ho resinareo ny tany eo anoloanareo, dia omeo ho fananany ny tany Gilehada.

30 Fa raha tsy manao izany kosa izy, dia miaraka aminareo ihany ao amin'ny tany Kanahana no hahazoany zara tany ho fananany.

31 Dia namaly ny miaramila Gadita sy i Reobenita ka nanao hoe: Izay nandidian'ny TOMPO anay no hataonay!

32 Handray fiadiana izahay ka hitsofoka ao amin'ny tany Kanahana araka ny fifehezan'ny TOMPO, mba ho aty an-dafy atsinanan'i Jordana aty no hahazoanay zara tany ho fananany.

33 Dia nomen'i Mosesy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Reobena ary ny antsasaky ny fokon'i Manase zanakalahin'i Josefa, ny fanjakan'i Sihona mpanjakan'ny Amorita sy ny fanjakan'i Hoga mpanjakan'i Basana, dia ny tany mbamin'ny tananany miaraka amin'ny faritra manodidina.

34 Ary ny taranak'i Gada nanangana indray ireto tanana ireto, dia i Dibona sy i Hatarota, i Harohera

35 sy i Hatarota-Sofana, i Jahezera sy i Jogboha

36 ary i Bety-Nimra sy i Bety-Harana; nataony tanana mimanda ireo ary nisy koa valan'ondry namboariny.

37 Fa ny taranak'i Reobena kosa nanangana indray ireto tanana ireto, dia i Hesbona sy i Elehale, i Kiriataima,

38 sy i Nebao ary i Bahala-Mehona sy i Sibma; ary dia nomeny anaram-baovao ny tanana sasantsasany izay naoriny.

39 Ny taranak'i Makira, zanakalahin'i Manase, dia nankany Gilehada ka nahazo azy ary nandroaka ny Amorita izay nipetraka tao.

40 Koa nomen'i Mosesy an'ireo taranak'i Makira zanakalahin'i Manase i Gilehada ary dia nipetraka tao ireo.

41 Mba lasa koa ny taranak'i Jairo zanakalahin'i Manase naka ny tanana madinika teo amin'ny Amorita ka nanome anarana azy hoe Havota-Jairo.

42 Ary lasa koa i Noba naka an'i Kenata sy ny tanana madinika manodidina ka niantso azy hoe Noba araka ny anarany ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057