Nomerỳ
Toko faha-30
1 Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Israelita izay rehetra nandidian'ny TOMPO azy.2 Niteny tamin'ireo filohan'ny foko israelita i Mosesy ka nampita izao baikon'ny TOMPO izao:
3 Raha misy lehilahy mivoady amin'ny TOMPO na mianiana hifady zavatra, dia tsy hitsoaka amin'ny teniny fa tsy maintsy hanatanteraka izay fampanantenana naloaky ny vavany izy.
4 Ataovy hoe misy tovovavy mbola miara-mipetraka amin-drainy ka maningo-tena mivoady na mianiana amin'ny TOMPO.
5 Raha ren-drainy izany voady na fianianana izany, nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataon'ilay tovovavy.
6 Fa raha manda kosa ny rainy amin'ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Hamela an'ilay tovovavy ny TOMPO, satria efa nanda izany ny rainy.
7 Ataovy indray hoe kosa misy tovovavy maningo-tena mivoady na mianiana foana tsy amim-piheverana, kanefa manambady aty aoriana.
8 Raha rem-badiny izany nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony.
9 Fa raha manda kosa ny lahy amin'ny andro andrenesany izany, dia foana avokoa ny voady sy ny fianianam-poana nataon'ny vavy; ary hamela azy ny TOMPO.
10 Fa ny voadin'ny vehivavy maty vady na nisara-panambadiana kosa dia mitoetra ara-dalana.
11 Kanefa ataovy hoe misy vehivavy mbola ao an-tranom-badiny no maningo-tena mivoady na mianiana.
12 Raha ren'ny lahy izany nefa tsy notoheriny na norarany, dia mitoetra ara-dalana ny voady amam-pianianana rehetra nataon-dravehivavy. 13 Fa raha manafoana kosa ny lahy amin'ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana nataon-dravehivavy. Hamela azy ny TOMPO satria nofoanan'ny vadiny ny voady nataony.
14 Ny voady na fianianana rehetra nataon'ny vavy mba hifady hanina dia ny vadiny irery ihany no mampanan-kery na mahafoana izany.
15 Fa raha tsy manohitra an-dravehivavy kosa ny lahy hatramin'ny ampitson'ny andro nandrenesany ny voady amam-pianianany, dia mampanan-kery izany. Ny tsy nanoherany an-dravehivavy tamin'ny andro nandrenesany no mampanan-kery izany.
16 Fa raha aorian'ny andro nandrenesany izany kosa ny lahy no hanapa-kevitra hanafoana izany, dia izy no hovesaran'ny heloky ny vadiny. 17 Ireo no lalana izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy momba ny voady ataon'ny vehivavy manambady na koa ataon'ny tovovavy mbola mipetraka ao an-tranon-drainy.