Nomerỳ
Toko faha-3
1 Ireto avy ny taranak'i Aharona sy i Mosesy tamin'ny andro nitenenan'ny TOMPO tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.2 Nanan-janaka efatra mirahalahy i Aharona, ka i Nadaba no lahimatoa, ny sisa dia i Abiho sy i Elehazara ary i Itamara.
3 Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Aharona izay samy mpisorona voahosotra sy voatokana hanao ny fisoronana.
4 Maty teo anatrehan'ny TOMPO anefa i Nadaba sy Abiho fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza Azy tany an-taniefitr'i Sinay. Samy tsy niteraka izy mirahalahy, koa dia i Elehazara sy i Itamara ihany no sisa nanao ny fisoronana teo anatrehan'i Aharona rainy.
6 Asaivo manatona ny fokon'i Levy ka apetraho eo ambany fahefan'i Aharona mpisorona mba hanampy azy.
7 Eo anoloan'ny Tranolay fihaonana no hanatanterahany ny asany ho an'i Aharona sy ho an'ny fiangonana manontolo, ka hanaovany ny fanompoana ao amin'ny Fonena-masina.
8 Hiandraikitra ny fanaka rehetra momba ny Tranolay fihaonana izy ary ho vonona hanompo ny Israelita ka hanatanteraka izany ao amin'ny Tranolay.
9 Koa homenao an'i Aharona sy ny zanany ny Levita; eny, homenao azy marina tokoa avy amin'ny Israelita ireo.
10 Hatsanganao hitandrina ny asa fisoronana i Aharona sy ny zanany; fa izay tsy mpisorona mitady hanatona kosa dia hatao maty.
11 Mbola niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:
12 Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin'ny Israelita rehetra ho solon'ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita,
13 satria Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin'ny andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny voalohan-teraka rehetra tamin'ny Israelita ho Ahy, na olona izay na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.
14 Niteny tamin'i Mosesy tany an-taniefitr'i Sinay ny TOMPO ka nanao hoe:
15 Ataovy ny fanisana ny taranak'i Levy isam-pianakaviana sy isan-tarika avy, ka ny Levita lahy rehetra feno iray volana no ho miakatra no hoisainao.
16 Dia nataon'i Mosesy ny fanisana azy ireo, araka izay nandidian'ny TOMPO azy.
17 Ireto avy ny anaran'ny zanakalahin'i Levy: i Gersona, i Kehata ary i Merary.
18 Indreto kosa ny anaran'ny zanakalahin'i Gersona: i Libny sy i Simehy ka izy roa lahy no razan'ny tarika avy aminy.
19 Ary ny anaran'ny zanakalahin'i Kehata dia ireto avy: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrona sy i Hoziela ka izy efa-dahy no razan'ny tarika avy aminy.
20 Ary ny zanakalahin'i Merary dia i Mahily sy i Mosy ka izy roa lahy no razan'ny tarika avy aminy. Izy valo lahy ireo no ipoiran'ny tariky ny Levita araka ny fianakaviambeny avy.
21 I Gersona no razan'ny Gersonita izay misy tarika roa, dia ny Libnita sy ny Simehita.
22 Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia nahatratra 7 500.
23 Nitoby teo ivohon'ny Fonena-masina, teo andrefany, ny Gersonita.
24 I Eliasafa zanakalahin'i Laela no filoham-pianakaviamben'ny Gersonita.
25 Niandraikitra ny amin'ny Tranolay fihaonana no raharahan'i Gersonita; dia ny Fonena-masina, ny lay, ny firakony, ny lambam-baravaran'ny Tranolay fihaonana,
26 ny fefilamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ary ny tadin'ny lay. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Gersonita.
27 I Kehata no razan'ny Kehatita izay misy tarika efatra, dia ny Hamramita sy ny Jitseharita ary ny Hebronita sy ny Hozielita.
28 Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia 8 600. Ireo no mpikarakara ny Fonena-masina.
29 Nitoby teo amin'ny lafy atsimon'ny Fonena-masina ny Kehatita.
30 I Elisafana zanakalahin'i Hoziela no filoham-pianakaviamben'ny Kehatita.
31 Ny Kehatita no miandraikitra ny Vatamasina, ny latabatra masina, ny fitoeran-jiro sy ny alitara roa ary ny fanaky ny Toeramasina izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Kehatita.
32 I Elehazara, zanakalahin'i Aharona mpisorona, no filoha faratampon'ny Levita; izy no mpiandraikitra ireo olona mikarakara ny fanompoana ao amin'ny Toeramasina.
33 I Merary no razan'ny Merarita izay nisy tarika roa dia ny Mahilita sy ny Mosita.
34 Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia 6 200.
35 I Tsoriela zanakalahin'i Abihaila no filoham-pianakaviamben'ny Merarita. Nitoby teo amin'ny lafy avaratry ny Fonena-masina izy ireo.
36 Ny Merarita no miandraikitra ny hazo fisaka amin'ny Tranolay; ny barany, ny andriny mbamin'ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Merarita.
37 Mbola izy ireo koa no niandraikitra ny andry manodidina ny kianja masina mbamin'ny faladiany sy ny tsatoka ary ny tady.
38 I Mosesy sy i Aharona ary ny zanakalahin'i Aharona dia nitoby teo anoloana atsinanan'ny Tranolay fihaonana eo amin'ny fiposahan'ny masoandro. Izy ireo no miandraikitra ny fiambenana ny Toeramasina amin'ny anaran'ny Israelita. Izay tsy mpisorona mitady hanatona eo dia hatao maty.
39 Ny fitambaran'ny lehilahy levita rehetra feno iray volana no ho miakatra, nisain'i Mosesy sy i Aharona isan-tarika araka ny didin'ny TOMPO, dia nahatratra 22 000.
40 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Isao ny lahimatoa rehetra, eo amin'ny Israelita, dia izay feno iray volana no ho miakatra, ka ataovy lisitra ny anarany:
41 Hatokanao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin'ny Levita no ho solon'ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra eo amin'ny Israelita.
42 Dia nisain'i Mosesy araka ny nandidian'ny TOMPO azy ny lahimatoa rehetra teo amin'ny Israelita,
43 dia izay feno iray volana no ho miakatra; ka nahatratra 22 273 ny fitambarany araka ny lisitry ny anarany.
44 Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy:
45 Atokano ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin'ny Levita no ho solon'ny voalohan-teraky ny biby fiompin'ny Israelita.
46 Ho fanavotana ny lahimatoa miisa 273 eo amin'ny Israelita, izany hoe ireo lahimatoa izay nihoatra tamin'ny isan'ny Levita,
47 dia hakanao sekela dimy isan'olona; ka araka ny sekela fampiasa ao amin'ny Toeramasina, izany hoe sekela iray milanja folo grama, no hangalanao azy.
48 Homenao an'i Aharona sy ny zanany io vola io ho avotr'ireo lahimatoa mihoatra isa ireo.
49 Nangonin'i Mosesy ny vola avotra izay nomen'ireo mihoatra isa noho ny voaavotry ny Levita ireo.
50 Vola denary 1 365 no voaangony tamin'ny lahimatoan'ny Israelita, araka ny sekela fampiasa ao amin'ny Toeramasina;
51 dia natolotr'i Mosesy an'i Aharona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny didy nampitain'ny TOMPO tamin'i Mosesy.