Nomerỳ

Toko faha-28

1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra ny Israelita hoe:

2 Aoka hotandremanareo ny hanolotra ho an'ny TOMPO, amin'ny fotoana voafetra, ireo fanatitra ho Azy, dia ny sakafo izay hodorana ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.

3 Izao no sakafo dorana izay hatolotrareo ho an'ny TOMPO isan'andro: zanak'ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema. Ho sorona dorana manontolo tsy tapaka ho Azy izany.

4 Ny zanak'ondry voalohany dia hatolotra ny maraina ary ny faharoa kosa ny hariva,

5 miaraka amin'ny lafarinina tsara toto telo kilao nofetaina tamin'ny menaka madio iray litatra sy tapany.

6 Io sorona dorana manontolo isan'andro tsy tapaka io dia araka izay natao tany an-tendrombohitra Sinay; ho sakafo dorana ho an'ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.

7 Io zanak'ondry voalohany io dia hampiarahina amin'ny fanatitra araraka, izany hoe divay iray litatra sy tapany izay hatolotra ho an'ny TOMPO ao amin'ny Toeramasina.

8 Ny zanak'ondry faharoa kosa dia hatolotra ho an'ny TOMPO amin'ny hariva, ka hampiarahina amin'ireo fanatitra lafarinina sy divay toy ny tamin'ny maraina; ho sakafo dorana ho an'ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.

9 Amin'ny andro sabata kosa dia izao no hatolotra: zanak'ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema sy lafarinina tsara toto enina kilao nofetaina tamin'ny menaka mbamin'ny fanatitra divay momba azy.

10 Sorona dorana manontolo atolotra isan-tsabata izany ho fanampin'ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan'andro sy ny fanatitra divay momba azy.

11 Amin'ny andro voalohany isam-bolana, dia ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema no hatolotra ho sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO.

12 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin'ny lafarinina tsara toto nofetaina tamin'ny menaka, dia lafarinina sivy kilao isan'ombilahy, lafarinina enina kilao isan'ondrilahy,

13 ary lafarinina telo kilao isan-janak'ondry. Sorona dorana manontolo hanetona ho hanitra hankasitrahin'ny TOMPO izany.

14 Ny fanatitra araraka momba izany kosa dia divay telo litatra isan'ombilahy, divay roa litatra isan'ondrilahy ary iray litatra sy tapany isan-janak'ondry. Izany no sorona hatao isaky ny andro voalohan'ny volana, amin'ny volana rehetra mandritra ny taona.

15 Hanolotra osilahy iray koa ho an'ny TOMPO ianareo ho sorona fanalana ny ota, ho fanampin'ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan'andro sy ny fanatitra divay momba azy.

16 Ny andro faha-14, amin'ny volana voalohany isan-taona, no hankalazana ny fetin'ny Paska, ho voninahitry ny TOMPO.

17 Ny andro faha-15 amin'io volana io ihany no hanombohan'ny andro fito izay hihinananareo ny mofo tsy misy leviora.

18 Amin'ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.

19 Ny hatolotrareo ho an'ny TOMPO, ho sakafo miendrika sorona dorana manontolo, dia izao: ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

20 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin'ny lafarinina nofetaina tamin'ny menaka, dia lafarinina sivy kilao isan'ombilahy, enina kilao isan'ondrilahy

21 ary telo kilao isan-janak'ondry.

22 Hanolotra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota, hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.

23 Hataonareo avokoa izany ho fanampin'ny sorona dorana manontolo isa-maraina tsy tapaka.

24 Isan'andro mandritra ny herinandro no hanaovanareo izany ho an'ny TOMPO, dia sakafo dorana hanetona ho hanitra hankasitrahiny ho fanampin'ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan'andro sy ny fanatitra divay momba azy.

25 Amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.

26 Amin'ny andro Pentekosta, rehefa mitondra ny fanatitra voamaina vaovao ho an'ny TOMPO ianareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.

27 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo hanetona ho hanitra hankasitrahin'ny TOMPO dia izao: ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay samy herintaona avy.

28 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin'ny lafarinina nofetaina tamin'ny menaka ka lafarinina sivy kilao isan'ombilahy, enina kilao isan'ondrilahy,

29 ary telo kilao isan-janak'ondry.

30 Hanolotra osilahy iray koa ianareo mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.

31 Hataonareo izany ho fanampin'ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan'andro mbamin'ny fanatitra lafarinina momba azy; ary biby tsy misy kilema no hatolotrareo miaraka amin'ny fanatitra divay momba azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554