Nomerỳ
Toko faha-25
1 Nitoby tao Sitima ny Israelita ka nanomboka nijangajanga tamin'ny vehivavy moabita,2 izay nitarika azy hanao sorona amin'ireo andriamaniny.
3 Nanolo-tena hivavaka tao Bahala-Pehora ny Israelita, ka nirehetan'ny fahatezeran'ny Tompo.
4 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Alao ny filohan'ny vahoaka; dia eo anoloako no anantony azy manatrika ny masoandro, mba hampitony ny fahatezerako mirehitra aminareo Israelita.
5 Dia hoy i Mosesy tamin'ny mpitsara israelita: Aoka ianareo tsirairay avy samy hamono hahafaty ny olom-peheziny izay nanolo-tena hivavaka tao Bahala-Pehora!
6 Tamin'izay fotoana izay, dia nisy lehilahy israelita iray nitondra vehivavy midianita hankeo amin'ny mpiray foko aminy, teo imason'i Mosesy sy ny Fiangonana israelita manontolo izay nitomany teo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana.
7 Raha nahita izany i Pinehasa, zanakalahin'i Elehazara sady zafikelin'i Aharona mpisorona, dia nitsangana teo anivon'ny Fiangonana ka nandray lefona;
8 narahiny hatrany an-dainy ilay lehilahy israelita ka nolefoniny niaraka tamin'ny vadiny tao. Dia nitsahatra ny areti-mandringana namely ny Israelita.
9 Ireo matin'io areti-mandringana io dia nahatratra 24000.
10 Ary niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
11 I Pinehasa, zanakalahin'i Elehazara sady zafikelin'i Aharona mpisorona, no nampiala ny fahatezerako tamin'ny Israelita satria niseho ho saro-piaro momba Ahy teo anivon'izy ireo; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Israelita, na dia saro-piaro amin'ny maha Andriamanitra Ahy aza Aho.
12 Noho izany, dia lazao an'i Pinehasa fa omeko azy ny fanekempihavanako ho loharanom-piadanana;
13 izany fanekempihavanana izany dia hahatonga ny tenany sy ny taranany ho mpisorona hatrany, satria niseho ho saro-piaro momba Ahy i Pinehasa ka nahazo famelan-keloka ho an'ny Israelita.
14 Ilay Israelita, izay novonoina ho faty niaraka tamin'ilay vehivavy midianita, dia i Zimry zanakalahin'i Salo sady filoham-pianakaviana simehonita.
15 Ary ilay vehivavy midianita maty kosa dia i Kozby, zanakavavin'i Tsora izay filoham-pianakaviana midianita.
16 Niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:
17 Tafiho ny Midianita ka aringano,
18 fa fahavalo mpamitaka anareo tamin'ny raharahan'i Pehora sy tamin'ny raharahan'i Kozby izay zanakavavin'ny manampahefana midianita anankiray, ka maty novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana vokatry ny raharahan'i Pehora.