Nomerỳ
Toko faha-2
1 Niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona ny TOMPO nanao hoe:2 Ny Israelita dia samy hitoby eo akaikin'ny vondron-tafiny sy ny fanevan'ny fokony avy. Ny toby dia tsy maintsy manodidina ny Tranolay fihaonana kanefa lavidavitra azy.
3 Amin'ny lafiny atsinanana no hisy ireo tafika lohalaharana mivondrona ao anatin'ny tobin'i Joda, ka ahitana mifanila ny tafika jodeanina sy jisakarita ary zebolonita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin'ny filoha anankiray avy amin'ny fokony araka izao: ho an'ny fokon'i Joda dia i Nahasona zanakalahin'i Haminadaba, miaraka amin'ny vatan-dehilahy 74 600; ho an'ny fokon'i Jisakara dia i Natanaela, zanakalahin'i Tsohara, miaraka amin'ny vatan-dehilahy 54 400; ho an'ny fokon'i Zebolona dia i Eliaba zanakalahin'i Helona, miaraka amin'ny vatan-dehilahy 57 400.
9 Ny vatan-dehilahy ao anatin'ny tobin'i Joda dia mitontaly 186 400. Ireo no mpialoha lalana ny vahoaka israelita.
10 Amin'ny lafiny atsimo no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin'ny tobin'i Reobena, ka ahitana mifanila ny tafika reobenita sy simehonita ary gadita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin'ny filoha anankiray avy amin'ny fokony araka izao: ho an'ny fokon'i Reobena dia i Elitsora zanakalahin'i Sedeora miaraka amin'ny vatan-dehilahy 46 500; ho an'ny fokon'i Simehona dia i Selomiela zanakalahin'i Tsorisaday miaraka amin'ny vatan-dehilahy 59 300; ho an'ny fokon'i Gada dia i Eliafasa zanakalahin'i Dehoela miaraka amin'ny vatan-dehilahy 45 650.
16 Ny vatan-dehilahy ao anatin'ny tobin'i Reobena dia mitontaly 151 450. Ireo no mandeha faharoa.
17 Dia handroso ny Tranolay fihaonana sy ny andian'ny Levita eo anelanelan'ny vondron-tafika roa mialoha sy ny vondron-tafika roa manaraka. Handroso araka ny filaharany eo amin'izay itobiany ihany ny levita, ka hanaraka ny fanevan'ny tarika misy azy avy.
18 Amin'ny lafiny andrefana no hisy ireo tafika mivondrona ao amin'ny tobin'i Efraima, ka ahitana ny tafika efraimita sy manasita ary benjaminita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin'ny filoha anankiray avy amin'ny fokony araka izao: ho an'ny fokon'i Efraima dia i Elisama zanakalahin'i Hamihoda miaraka amin'ny vatan-dehilahy 40 500; ho an'ny fokon'i Manase dia i Gamaliela zanakalahin'i Pedahatsoro miaraka amin'ny vatan-dehilahy 32 200; ho an'ny fokon'i Benjamina dia i Abidana zanakalahin'i Gidehony miaraka amin'ny vatan-dehilahy 35 400.
24 Ny vatan-dehilahy ao anatin'ny tobin'i Efraima dia mitontaly 108 100. Ireo no mandeha fahatelo.
25 Amin'ny lafiny avaratra kosa no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin'ny tobin'i Dana, izay ahitana mifanila ny tafika danita sy aserita ary naftalita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin'ny filoha anankiray avy amin'ny fokony araka izao: ho an'ny fokon'i Dana dia i Ahihezera zanakalahin'i Hamisaday miaraka amin'ny vatan-dehilahy 62 700; ho an'ny fokon'i Asera dia i Pagihiela zanakalahin'i Hokrana miaraka amin'ny vatan-dehilahy 41 500; ho an'ny fokon'i Naftaly dia i Ahira zanakalahin'i Henana miaraka amin'ny vatan-dehilahy 53 400.
31 Ny vatan-dehilahy ao anatin'ny tobin'i Dana dia mitontaly 157 600. Ireo kosa no ho vodilaharana. Dia samy handeha miaraka amin'ny fanevany avy ireo vondron-tafika efatra ireo.
32 Ny vatan-dehilahy israelita voaisa araka ny foko sy araka ny toby nisy ireo tafika dia tafakatra 603 550 ny fitambarany.
33 Ny Levita ihany no tsy natao fanisana niaraka tamin'ny Israelita hafa araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
34 Notanterahin'ny Israelita izany, araka ny nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany.