Nomerỳ

Toko faha-16

1 I Kora zanakalahin'i Jitsehara dia levita taranak'i Kehata; nitarika an'i Datana sy i Abirama zanakalahin'i Eliaba, ary i Ona zanakalahin'i Peleta izay samy taranak'i Reobena izay

2 hikomy amin'i Mosesy. Nanampy azy ireo tamin'izany ny Israelita miisa 250 izay samy lohandoham-piangonana sady olom-boafidy ary manan-daza.

3 Nitangorona nanodidina an'i Mosesy sy i Aharona izy ireo ka nanao taminy hoe: Ampy ho anareo izay, fa masina avokoa ny olona rehetra ao amin'ny fiangonana sady eo afovoany ny TOMPO. Nahoana ianareo no mihevi-tena ho ambonin'ny mambra hafa ao amin'ny fiangonan'ny TOMPO?

4 Raha nandre izany i Mosesy, dia niankohoka tamin'ny tany

5 ka niteny tamin'i Kora sy ny namany hoe: Rahampitso dia hasehon'ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.

6 Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Maka fitaovana fandoroana zava-manitra,

7 dia asio vainafo ao anatin'ireny rahampitso ary andraraho vovo-javamanitra eo ambonin'izany eo anatrehan'ny TOMPO. Ho hita eo izay hofidin'ny TOMPO ka ho masina. Ampy izay, ry taranak'i Levy.

8 Dia hoy indray i Mosesy tamin'i Kora: Henoy, ry taranak'i Levy!

9 Tsy ampy anareo ve ny nanavahan'ilay Andriamanitr'i Israely anareo tamin'ny fiangonan'i Israely mba hahafahanareo manakaiky Azy, ka hanaovanareo ny asa fanompoana ao amin'ny Fonena-masin'ny TOMPO ary hankalazanareo ny fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'ny fiangonan'i Israely?

10 Navelany hanakaiky Azy ianareo, ry Kora sy ny Levita rehetra rahalahinao, dia mbola mitady ny raharahan'ny mpisorona indray ve?

11 Izany ange ka ikomianao sy ny namanao rehetra amin'ny TOMPO, fa tsy dia amin'i Aharona loatra akory no imonomononanareo.

12 Dia nampiantsoin'i Mosesy i Datana sy i Abirama zanakalahin'i Eliaba, fa hoy ireo hoe: Tsy hiakatra any izahay!

13 Tsy ampy anao ve ny namoahanao anay nandao tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay aty an-taniefitra, no mbola mitady hibaiko anay indray ianao!

14 Tsy tany tondra-dronono sy tantely akory no nitondranao anay ary tsy saha na tanimboaloboka akory koa no nomenao ho fanananay! Heverinao ho poa-maso angaha ireo olona ireo? Tsia, tsy ho any izahay!

15 Tezitra aoka izany i Mosesy ka niteny tamin'ny TOMPO hoe: Aza raharahainao akory izay fanatitr'izy ireo! Fa tsy mba naka na dia boriky iray taminy akory aza aho, ary koa tsy mba nanisy ratsy na dia ny anankiray taminy akory aza.

16 Dia hoy i Mosesy tamin'i Kora: Tongava eo anatrehan'ny TOMPO ianao sy ny namanao rahampitso miaraka amin'i Aharona.

17 Samia maka ny fitaovana fandoroany zava-manitra ka manisy vovo-javamanitra ao anatiny ary samia mitondra ny azy avy eo anatrehan'ny TOMPO; dia fitaovana fandoroana zava-manitra 250 izany no fitambarany. Hitondra ny azy avy koa ianao sy i Aharona.

18 Samy naka ny fitaovana fandoroany zava-manitra izy rehetra ka nanisy vainafo sy nandraraka vovo-javamanitra tao anatiny; ary nijanona teo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana izy ireo niaraka tamin'i Mosesy sy i Aharona.

19 Novorin'i Kora ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin'ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;

20 ary ny TOMPO niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona hoe:

21 Miala ianareo amin'ireo andian'olona ireo fa handringana azy indray mipi-maso Aho.

22 Dia niankohoka tamin'ny tany i Mosesy sy i Aharona sady nanao hoe: Ry Andriamanitra o, Andriamanitra loharanom-piainan'ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?

23 Dia namaly an'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:

24 Lazao ny fiangonana mba hanalavitra ny fonenan'i Kora sy i Datana ary i Abirama.

25 Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin'i Datana sy i Abirama sady narahin'ny loholon'i Israely.

26 Niteny tamin'ny fiangonana izy nanao hoe: Halaviro ny lain'ireo ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika izay azy akory, fandrao maty noho ny fahotany rehetra koa ianareo.

27 Nanalavitra ny manodidina ny fonenan'i Kora sy i Datana ary i Abirama ny vahoaka Dia nivoaka ny lainy i Datana sy i Abirama ka nijoro teo am-baravarana niaraka tamin'ny vady aman-janany rehetra.

28 Ary hoy i Mosesy hoe: Izao no hahafantaranareo fa ny TOMPO no naniraka ahy hanatanteraka ireny asa ireny fa tsy saim-pantatro no nanaovako izany.

29 Raha fahafatesana tsotra no hahafaty ireo olona ireo, ka izay hanjo ny besinimaro ihany no hihatra aminy, dia tsy ny TOMPO no naniraka ahy.

30 Fa raha manao zavatra tsy mbola fahita kosa ny TOMPO, ka hampisokatra ny tany hitelina azy ireo mbamin'ny fananany rehetra ary izy ireo hidina velona any amin'ny fonenan'ny maty, dia ho fantatrareo fa efa nanda ny TOMPO ireo olona ireo.

31 Raha vao tapitra voalazan'i Mosesy avokoa izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany nohitsahin'i Datana sy i Abirama.

32 Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin'ny fianakaviany ary koa nitelina an'i Kora sy ny olony rehetra mbamin'ny fananany rehetra.

33 Nidina velona tany amin'ny fonenan'ny maty izy ireo mbamin'izay azy rehetra, ary dia nandrakotra azy ny tany. Tsy hita intsony teo amin'ny fiangonana izy ireo.

34 Ny Israelita rehetra izay nanodidina azy, dia nandositra raha nandre ny fidradradradrany, satria natahotra fandrao hatelin'ny tany eo koa.

35 Ary nisy afo nalefan'ny TOMPO izay nandoro velona ireo lehilahy 250 nanatitra vovo-javamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0604