Nomerỳ
Toko faha-14
1 Nandritra ny alina manontolo dia nikiakiaka sy nitomany avokoa ny vahoaka tafangona teo.2 Nimonomonona tamin'i Mosesy sy I Aharona ny Israelita rehetra ka nanao hoe: Tsara kokoa ho antsika ny maty tany Ejipta na koa maty taty an-taniefitra.
3 Fa nahoana isika no nentin'ny TOMPO ho lavon-tsabatra amin'ny tany toy izany? Ho lasan-ko babo avokoa ny vady aman-janatsika; koa tsy aleontsika ve miverina indray any Ejipta?
4 Dia nifampilaza izy ireo nanao hoe: Aoka isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!
5 Niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny fiangonan'ny Israelita rehetra vory teo i Mosesy sy Aharona.
6 I Josoa zanakalahin'i Nona sy i Kaleba zanakalahin'i Jefone izay samy anisan'ny nisafo tany kosa dia nandriatra ny fitafiany
7 ary niteny tamin'ny fiangonana israelita tsivakivolo hoe: Ny tany izay nosafoinay dia tany tena tsara tokoa.
8 Raha ambinin'ny TOMPO isika, dia hoentiny any amin'io tany tondra-dronono sy tantely io ka homeny antsika izany.
9 Koa aza mikomy amin'ny Tompo ianareo; ary aza matahotra ny mponin'io tany io, fa tsy misy hataontsika indraim-bava akory ireo. Efa niala taminy ireo andriamanitra fiarovany, fa ny Tompo kosa momba antsika; koa aza matahotra azy ireny ianareo.
10 Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin'ny Israelita rehetra teo amin'ny Tranolay fihaonana.
11 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hanamavoan'ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no handavany tsy hino Ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
12 Hamely azy amin'ny pesta Aho ka hamongotra azy; ianao kosa hataoko firenen-dehibe sy matanjaka noho izy.
13 Fa hoy ny navalin'i Mosesy ny TOMPO: Fantatry ny Ejiptianina fa ny herinao no namoahanao ity vahoaka ity hiala teo aminy.
14 Notantarainy tamin'ny mponin'ity tany anoloanay ity izany. Koa dia fantatr'izy ireo fa Ianao TOMPO no momba ny vahoakanao ary IANAO mifanatri-tava aminy; ny rahonao dia mijanona eo amboniny hialofany; mialoha azy amin'ny andry rahona Ianao nony andro ary amin'ny andry afo kosa nony alina.
15 Ankehitriny, raha indray hofongoranao ny vahoakanao, dia hiteny ireo firenena efa nahafantatra ny lazanao ka hanao hoe:
16 Tsy afaka nitondra ny vahoakany ho any amin'ny tany izay efa nampanantenainy azy ny TOMPO, koa izany no nandringanany azy tany an-taniefitra.
17 Koa ankehitriny, Tompo o, mitalaho aminao aho, asehoy ny herinao araka ny teninao hoe:
18 Izaho no TOMPO Izay tsy mora tezitra sady be fitiavana fa mahazaka ny heloka sy ny fikomiana. Kanefa tsy afa-maina ny meloka, fa ny heloky ny olona kosa dia valiako amin'ny taranany hatramin'ny zafindohalika.
19 Tompo o, araka ny halehiben'ny fitiavanao, dia mamela ny fahotan'ny vahoakanao tahaka ny efa namelanao ny fahotany hatrany Ejipta ka hatraty.
20 Ary hoy ny TOMPO hoe: Mamela azy araka ny fangatahanao Aho.
21 Kanefa velona Aho ary feno ny voninahitra maha TOMPO Ahy ny tany tontolo, koa mianiana Aho fa tsy hisy hiditra amin'io tany io ireo olona ireo.
22 Nahita ny voninahitro sy ny asa mahagaga nataoko tany Ejipta sy tany an-taniefitra izy ireo, nefa tsy nitsahatra naka fanahy Ahy tamin'ny tsy fihainoany ny teniko;
23 koa satria efa nanamavo Ahy izy, dia tsy hisy hahita ny tany izay nampanantenaiko ny razany.
24 Fa i Kaleba mpanompoko, izay nanam-panahy hafa ka tsy nisalasala nanaraka Ahy, dia hampidiriko any amin'ny tany efa nalehany; ary hahazo izany tany izany ny taranany,
25 fa ny Hamalekita sy ny Kanahanita kosa honina amin'ny lemaka. Koa rahampitso, miverena indray ianareo ka mankanesa any an-taniefitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasin'ny Volotara.
26 Niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona indray ny TOMPO ka nanao hoe:
27 Mandra-pahoviana no mbola handeferako ny fimonomononan'ity fiangonana ratsy ity amiko? Efa mankadilo ny sofiko ny fimonomononany amiko.
28 Mandehana lazao aminy hoe: Velona Izaho TOMPO, ka mianiana fa araka ny teny izay reko taminareo ihany no hataoko aminareo.
29 Ho faty ka hiampatrampatra amin'ity taniefitra ity ianareo. Ianareo rehetra izay nanaovana fanisana, dia ny roapolo taona no ho miakatra fahizany, no ho faty satria efa nimonomonona tamiko.
30 Mianiana Aho fa tsy hisy hiditra amin'ny tany izay efa nampanantenaiko hamponenana anareo ianareo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin'i Jefone sy i Josoa zanakalahin'i Nona;
31 Fa ny zanakareo madinika izay voalazanareo fa ho lasan-ko babo kosa dia hoentiko mankany; ireo no hahafantatra ny tany izay tsy noraharahainareo.
32 Ianareo izany ho faty ka hiampatrampatra amin'ity taniefitra ity;
33 ny zanakareo kosa dia ho mpiandry ondry aty mandritra ny efapolo taona. Izy ireo no hizaka ny vokatry ny fivadihanareo mandrapahafatinareo rehetra aty an-taniefitra.
34 Efapolo andro no nisafoanareo ny tany; koa dia mandritra ny efapolo taona kosa no hitondranareo ny vokatry ny fahotanareo, izany hoe taona iray isaky ny andro iray. Ka dia ho fantatrareo tsara ny dikan'ny faniniako anareo.
35 Izaho TOMPO no efa niteny, ka mianiana Aho fa hataoko tokoa amin'ity fiangonana ratsy sy niodina tamiko ity izany: aty an-taniefitra no hiafarany sy hahafatesany.
36 Izao kosa ny amin'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany ka nony tafaverina, dia nampimonomonona ny fiangonana hanome tsiny an'i Mosesy:
37 maty tampoka teo anatrehan'ny TOMPO ireny, satria nanao laza ratsy ny tany.
38 Fa i Josoa zanakalahin'i Nona sy i Kaleba zanakalahin'i Jefone no sisa velona tamin'ireo nandeha nisafo ny tany.
39 Nolazain'i Mosesy tamin'ny Israelita rehetra izany teny izany, ka dia nalahelo mafy ny vahoaka.
40 Ny ampitso vao maraina, dia niakatra tany an-tendrombohitra izy ireo sady nanao hoe: Tena nanota tokoa izahay, fa izao kosa dia vonona hiakatra hankany amin'ny toerana voatondron'ny TOMPO.
41 Fa hoy i Mosesy hoe: Inona no anton'izao? Mandika ny baikon'ny TOMPO ianareo ka tsy hahomby amin'izany mihitsy!
42 Aza miakatra mankany satria tsy momba anareo ny TOMPO fandrao horesen'ny fahavalonareo ianareo.
43 Eo anoloanareo ny Hamalekita sy ny Kanahanita, ka ho fatin'ny sabany ianareo. Efa niodina tamin'ny TOMPO ianareo, ka tsy homba anareo IZY.
44 Mbola nikiry niakatra hankeny an-tampon-tendrombohitra ihany ireo Israelita; nefa na i Mosesy na ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO dia samy tsy nihetsika teo an-toby.
45 Nidinan'ny Hamalekita sy ny Kanahanita izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany izy ireo ka notafihiny ary nenjehiny hatrany Horma.