Nomerỳ

Toko faha-13

1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:

2 Mandefasa lehilahy hisafo ny tany Kanahana izay omeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-pokony avy no halefanareo, ka izy rehetra dia hotsongaina amin'ireo mpiandraikitra azy.

3 Dia nalefan'i Mosesy avy eo an-taniefitr'i Parana araka ny baikon'ny TOMPO ireo. Samy lohandohan'ny Israelita avokoa izy rehetra.

4 Toy izao avy ny anarany: I Samoa zanakalahin'i Zakora, avy amin'ny fokon'i Reobena;

5 I Safata zanakalahin'i Hory, avy amin'ny fokon'i Simehona;

6 I Kaleba zanakalahin'i Jefone, avy amin'ny fokon'i Joda;

7 I Jigala zanakalahin'i Josefa, avy amin'ny fokon'i Jisakara;

8 I Hosea zanakalahin'i Nona, avy amin'ny fokon'i Efraima;

9 I Palty zanakalahin'i Rafo, avy amin'ny fokon'i Benjamina;

10 I Gadiela zanakalahin'i Sody, avy amin'ny fokon'i Zebolona;

11 I Gady zanakalahin'i Sosy, avy amin'ny fokon'i Manase zanak'i Josefa;

12 I Hamiela zanakalahin'i Gemaly, avy amin'ny fokon'i Dana;

13 I Setora zanakalahin'i Mikaela, avy amin'ny fokon'i Asera;

14 I Nahaby zanakalahin'i Votsy, avy amin'ny fokon'i Naftaly;

15 I Geoela zanakalahin'i Maky, avy amin'ny fokon'i Gada.

16 Ireo no anaran'ny lehilahy nalefan'i Mosesy hisafo ny tany Kanahana. Nataon'i Mosesy hoe Josoa i Hosea zanakalahin'i Nona.

17 Nalefan'i Mosesy hisafo ny tany Kanahana izy ireo ka nataony hoe: Miakara avy any atsimo, dia mianiha ny tendrombohitra

18 hahitanareo ny toetry ny tany sy ny mponina ao na mahery izy na malemy, ary koa na vitsy izy na maro.

19 Jereo ny tany onenan'ireo vahoaka ireo na tsara na ratsy ary ny tanana ipetrahany na mimanda na tobin-day.

20 Jereo ny tany raha lonaka na ngazana, na misy hazo maniry na tsia. Koa mandehana ary mahereza, dia mitondra amin'ny vokatry ny tany. Fahamasahan'ny voaloboka rahateo tamin'izay.

21 Dia niakatra izy ireo ka nisafo ny tany nanomboka teo amin'ny taniefitr'i Tsina ka hatrany Rehoba akaikin'i Lebo-Hamata.

22 Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrona izay nonenan'ny tarik'i Ahimana sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrona dia niorina fito taona talohan'i Tsohana any Ejipta.

23 Nankany amin'ny Lohasahan'i Eskola ireo mpisafo tany ka nanapaka tahom-boaloboka misy sampahony, ary nolanjain'olon-droa tamin'ny hazo niaraka tamin'ny ampongabendanitra sy ny aviavy.

24 Dia nomena anarana hoe Lohasahan'i Eskola na Lohasahan-tsampaho izany toerana izany, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin'ny Israelita teo.

25 Nony afaka efapolo andro, dia niverina avy nisafo ny tany ireo iraka.

26 Nankeo amin'i Mosesy sy i Aharona ary ny Fiangonan'ny Israelita rehetra tao an-taniefitr'i Parana any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin'ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.

27 Izao no notantarain'ireo mpisafo tamin'i Mosesy: Nankany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, ka hitanay fa tany tondra-dronono sy tantely tokoa ilay izy. Itony no vokatra avy tany.

28 Saingy ny mponina ao aminy kosa dia mahery, ary ny tanana dia mimanda sady lehibe. Hitanay tao koa aza ny taranaky ny Hanakita.

29 Ny Hamalekita no monina amin'ny faritra atsimo; ny Hetita sy ny Hivita ary ny Jebosita sy ny Amorita no any an-tendrombohitra, fa ny Kanahanita kosa no mipetraka amoron-dranomasina Mediteranea sy amoron'i Jordana.

30 Nampanginin'i Kaleba ny vahoaka izay nimonomonona tamin'i Mosesy ka nataony hoe: Aoka hiakarantsika ny tany ka halaintsika fa haharesy azy tokoa isika.

31 Ireo olona niara-niakatra tamin'i Kaleba kosa nanao hoe: Tsy afaka manafika ireo olona ireo isika fa mahery lavitra noho isika izy.

32 Dia nanao izay haharatsy laza ny tany izay nosafoiny tamin'ny Israelita izy ireo ka niteny hoe: Ny tany izay nosafoinay dia tany mamono ny olona tonga monina ao, ary ny olona izay hitanay tao dia ranjanana avokoa.

33 Hitanay tao hatramin'ireo olona goavambe taranak'i Hanaka aza; tahaka ny valala izahay miohatra aminy, ary dia toy izany koa no fijeriny anay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559