Nomerỳ
Toko faha-12
1 Nanome tsiny an'i Mosesy i Miriama sy i Aharona noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.2 Hoy izy mianadahy hoe: I Mosesy ihany ve no nitenenan'ny TOMPO, fa tsy izahay koa? Dia ren'ny TOMPO izany.
3 I Mosesy kosa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona hafa rehetra ambonin'ny tany.
4 Tampoka teo dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy sy i Aharona ary i Miriama: Mankanesa ianareo telo mianadahy ao amin'ny Tranolay fihaonana. Dia nankany izy ireo.
5 Nidina tanatin'ny andry rahona ny TOMPO ka nijoro teo am-baravaran'ny Tranolay ary niantso an'i Aharona sy i Miriama. Dia samy nandroso izy mianadahy,
6 ka hoy ny TOMPO taminy: Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin'ny fahitana no isehoako aminy, ary amin'ny nofy no itenenako aminy.
7 Fa tsy mba toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay olona mahatoky tamin'ny fiandraiketana ny tranoko manontolo.
8 Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko?
9 Tezitra mafy tamin'izy mianadahy ny TOMPO ka lasa nandeha.
10 Rehefa nisandratra ho eo ambonin'ny Tranolay ny rahona, dia indro feno pentina fotsy toa oram-panala i Miriama fa boka. Nijery azy i Aharona ka nahita fa boka ny anabaviny.
11 Ka hoy i Aharona tamin'i Mosesy: Meloka izahay, tompoko, koa aoka re tsy havalinao aminay izany toetran'adala amam-pahotanay izany!
12 Aoka re i Miriama tsy ho toy ny zazarano tsy azo izay lany sasaka ny nofony raha vao teraka!
13 Nitaraina tamin'ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: Andriamanitra o, mba sitrano re izy!
14 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra herinandro va izy? Avaho mandritra ny fito andro any ivelan'ny toby izy. Fa aorian'izany izy vao afaka miditra ao indray.
15 Dia navahana tany ivelan'ny toby nandritra ny herinandro i Miriama, ary tsy niainga ny Israelita, raha tsy efa nandray ny toerany indray izy.
16 Rehefa izany, dia niala tao Hatserota ny vahoaka ka nitoby tao an-taniefitr'i Parana.