Lioka

Toko faha-15

1 Fatra-panatona an'i Jesoa avokoa ny mpamory hetra sy ny mpanota mba hihaino Azy.

2 Hany ka nimonomonona ny Farisianina sy ny mpahay lalana nanao hoe: Rangahy io ny mpanota no ifandraisany sy iarahany misakafo!

3 Koa ho azy Farisianina sy mpahay lalana no nanaovan'i Jesoa ity fanoharana ity:

4 Lehilahy iza moa, araka ny hevitrareo, no manana ondry zato nahaverezana anankiray, ka tsy hamela eny an-kijana ny 99 ary hiezaka hitady ilay tokana very mandra-pahitany azy?

5 Ary rehefa hitany, dia entiny eo an-tsoroka an-kafaliana.

6 Dia lasa izy mody any an-trano ary voriny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: Miaraha mifaly amiko fa ilay ondriko very dia hitako indray!

7 Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana any an-danitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toe-dratsiny fa tsy amin'ny olo-marina 99 tsy mila fialana amin'ny toe-dratsy.

8 Sa vehivavy iza moa no manana vola firavaka folo nahaverezana anankiray, ka tsy hampirehitra jiro sy hamafa trano ary hikaroka tsara mandra-pahitany azy?

9 Ary rehefa hitany, dia voriny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: Miaraha mifaly amiko fa ilay vola firavako very dia hitako indray!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0568