Levitîka

Toko faha-9

1 Tamin'ny andro fahavalo, dia nampanalain'i Mosesy i Aharona sy ny zanany ary ny loholon'i Israely,

2 ka hoy izy tamin'i Aharona: -Maka ianao ombilahikely anankiray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy anankiray hatao sorona dorana manontolo, dia ombilahikely sy ondrilahikely izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan'ny Toeramasin'ny TOMPO.

3 Avy eo dia ny Israelita no ilazao hoe: Maka ianareo osilahy anankiray hatao sorona fanalana ny ota; maka ombilahikely sy ondrilahikely anankiray avy, samy iray taona sady tsy misy kilema, mba hatao sorona dorana manontolo;

4 ary maka ombilahy sy ondrilahy anankiray avy mba hovonoina ho sorom-pihavanana eo anatrehan'ny Toeramasin'ny TOMPO, miaraka amina fanatitra lafarinina voaharo menaka; fa anio no hisehoan'ny TOMPO aminareo.

5 Rehefa nentina teo anoloan'ny Tranolay fihaonana ny zavatra nandidian'i Mosesy, dia nanatona ny Fiangonan'ny Israelita tsivakivolo ka nijanona teo anatrehan'ny Toeramasin'ny TOMPO.

6 Ary hoy i Mosesy hoe: -Izao no zavatra nandidian'ny TOMPO anareo, ka ataovy; dia hiseho aminareo ny voninahitry ny Tompo.

7 Avy eo i Mosesy nilaza tamin'i Aharona hoe: -Manatona ny alitara, dia atolory ny anao ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo, ka ataovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny tenanao sy ho an'ny vahoaka: atolory koa ny soron'ny vahoaka ary anaovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka izy, araka izay nandidian'ny TOMPO.

8 Dia nanatona ny alitara i Aharona ka namono ny ombilahikely hatao fanalana ny ota ho an'ny tenany.

9 Ary nentin-janany ho eo amin'i Aharona ny ran'ilay ombilahikely; dia nanatsoboka ny fanondrony tamin'ny ra i Aharona, ka notentenany ny tandroky ny alitara; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara.

10 Ny jaborany kosa sy ny voany roa ary ny ila atiny, avy tamin'ilay sorona fanalana ny ota, dia nodorany hanetona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy;

11 fa ny hena sy ny hoditra kosa nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.

12 Dia novonoin'i Aharona koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka rehefa natolotr'ireo zanany azy ny ra, dia nafafiny tamin'ny lafin'ny alitara.

13 Ary ny sorona dorana manontolo voarasa sy ny lohany dia natolotr'ireo azy tsirairay, ka nodorana hanetona teo ambonin'ny alitara.

14 Rehefa voasasan'i Aharona koa ny tsinainy sy ny tongony, dia nodorany hanetona teo ambonin'ny alitara niaraka tamin'ny sorona dorana manontolo.

15 Avy eo dia natolotr'i Aharona tamin'ny TOMPO ireo soron'ny vahoaka; ka nalainy ny osilahy hatao sorona fanalana ny otan'ny vahoaka, dia novonoiny ary natolony ho fanalana ny ota, tahaka ny nataony tamin'ilay ombilahikely teo aloha.

16 Natolony koa ny ombilahikely sy ondrilahikely ho sorona dorana manontolo ka nataony araka ny fomba fanao.

17 Avy eo dia natolony ny fanatitra lafarinina ka nangalany eran-tanan'ila izay nodorany hanetona teo ambonin'ny alitara ankoatra ny sorona dorana manontolo fanolotra isa-maraina.

18 Farany, novonoin'i Aharona ny ombilahy sy ondrilahy izay nentin'ny vahoaka hatao sorom-pihavanana; dia natolotry ny zanany azy ny ra, ka nafafiny manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.

19 Ary natolotr'ireo azy koa ny tavin'ireo sorom-pihavanana ireo, dia ny jaboran-tsinainy sy ny voany ary ny ila-atiny mbamin'ny hofak'ilay ondrilahy;

20 dia napetraka teo ambonin'ny tratran'ireo sorom-pihavanana ireo avokoa ny taviny, vao nodorana teo ambonin'ny alitara;

21 fa ny tratrany sy ny feny ankavanana kosa dia nahevahevan'i Aharona teo anatrehan'ny TOMPO no fomba nanolorany azy, araka izay nandidian'i Mosesy.

22 Rehefa voatolotr'i Aharona ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo ary ny sorom-pihavanana, dia nanandra-tanana manandrify ny vahoaka izy ka nitsodrano azy; izay vao nidina niala teo amin'ny alitara.

23 Dia niditra tao amin'ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Aharona. Nony tafavoaka avy eo izy roa lahy, dia niara-nitsodrano ny vahoaka; ary niseho tamin'ny vahoaka rehetra ny voninahitry ny TOMPO:

24 nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin'ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0586