Levitîka
Toko faha-8
1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:2 -Antsoy i Aharona sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy mis
3 Vorio koa ny Israelita rehetra ho tafangona eo anoloan'io toerana io.
4 Nanao araka izay nandidian'ny TOMPO azy i Mosesy ka tafangona teo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana ny Israelita;
5 dia nolazain'i Mosesy azy ny raharaha nasain'ny TOMPO hataon'ny tenany.
6 Ary nampanatonin'i Mosesy i Aharona sy ny zanany ka nampandroiny tamin'ny rano.
7 Dia nampiakanjoiny an'i Aharona ny akanjo lava anatiny sady noetrany fehikibo; avy eo nampiakanjoiny azy ny akanjo lava ivelany ary ny efoda no nataony teo amboniny, efoda izay nogiaziny tamin'ny fatorany ka natafiny azy.
8 Dia napetany taminy koa ny saron-tratra ka nasitriny tao ny Orima sy ny Tomima.
9 Napetrany teo an-dohany kosa ny lamba satro-doha; ary napetrany teo anoloan'ilay satro-doha ny takela-bolamena, marika famantarana fa voatokana ho an'ny TOMPO i Aharona, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
10 Ary naka ny menaka fanosorana i Mosesy, dia nanosotra sy nanokana ny Fonenan'Andriamanitra mbamin'ny zavatra rehetra tao anatiny.
11 Namafazany menaka impito teo ambonin'ny alitara ary nohosorany menaka avokoa ny alitara sy ny fanaka momba azy ary ny fitobian-drano boribory mbamin'ny tongony mba ho voatokana ho an'Andriamanitra.
12 Ary nandrotsahany menaka fanosorana teo amin'ny lohan'i Aharona; ka nohosorany i Aharona mba ho voatokana ho an'Andriamanitra.
13 Dia nampanatonin'i Mosesy koa ireo zanakalahin'i Aharona ka nampiakanjoiny akanjo lava sy noetrany fehikibo ary nametrahany satroboninahitra, araka izay efa nandidian'ny TOMPO azy.
14 Avy eo nasain'i Mosesy nentina ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota; ka i Aharona sy ny zanany no nametra-tanana teo amin'ny lohan'ilay ombilahy.
15 Novonoin'i Mosesy io ary nangalany ny ra ka notentenany tamin'ny fanondro ny tandroky ny alitara mba ho fanadiovana ny alitara manontolo; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara: toy izany no nanokanan'i Mosesy ny alitara mba hahazoana manao fombam-pivavahana famelan-keloka eo amboniny.
16 Dia nalain'i Mosesy avokoa ny jaboran-tsinain'ilay ombilahy sy ny ila-atiny ary ny voany mbamin'ny fonomboany; ka nodorany hanetona teo ambonin'ny alitara.
17 Fa ny tenan'ny ombilahy kosa, izany hoe ny hodiny sy ny nofony ary ny dikin-drorohany, dia nodorana tany ivelan'ny toby, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
18 Dia nasain'i Mosesy nampanatonina koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka i Aharona sy ny zanany no nametra-tanana teo amin'ny lohan'ny ilay ondrilahy.
19 Novonoin'i Mosesy io, ary ny rany dia nafafiny manodidina tamin'ny rindrin'ny alitara.
20 Rehefa izany, nataony rasa vaventy ilay ondrilahy, ka nodorany hanetona ny lohany sy ny hena voarasa ary ny taviny;
21 nodorany hanetona koa ny tsinainy sy ny tongony rehefa avy nosasany. Indray nodorany hanetona teo ambonin'ny alitara ilay ondrilahy: sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin'ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO, araka izay efa nandidiany an'i Mosesy.
22 Farany, nasain'i Mosesy nampanatonina ny ondrilahy faharoa, dia ilay ondrilahy hanaovana ny sorona fanokanana; ka i Aharona sy ny zanany no nametra-tanana teo amin'ny lohan'ilay ondrilahy.
23 Novonoin'i Mosesy io, ary nangalany ny rany ka nanentenany ny tendron'ny ravin-tsofin'i Aharona ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana sy ny ankiben-tongony ankavanana.
24 Nasain'i Mosesy nanatona koa ny zanakalahin'i Aharona, ka samy notentenany ra ny tendron'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana; ny ra sisa kosa nafafin'i Mosesy manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
25 Dia nalainy ny tavin-kenan'ilay ondrilahy, izany hoe ny hofany sy ny jaboran-tsinainy rehetra ary ny ila atiny sy ny voany mbamin'ny fanomboany, ary nalainy koa ny feny ankavanana.
26 Ilay harona nasiany mofo tsy misy leviora, harona izay napetraka teo anatrehan'ny Toeramasin'ny TOMPO, dia nangalan'i Mosesy mofomamy anankiray tsy misy leviora, sy mofomamy anankiray voaisy menaka, ary mofo manify anankiray; ka nataony teo ambonin'ny tavin-kenan'ilay ondrilahy mbamin'ny feny ankavanana ireo mofo ireo.
27 Dia napetrak'i Mosesy teo an-tanan'i Aharona sy ny zanany ireo rehetra ireo ary nasainy hatolony amin'ny TOMPO ka hahevaheva eo anatrehany no fomba fanolotra azy.
28 Dia nalain'i Mosesy avy teo an-tanany indray ireo zavatra ireo ka nodorany hanetona teo ambonin'ny alitara niaraka tamin'ny sorona dorana manontolo: sorona fanokanana ho mpisorona izany, dia sorona levonina amin'ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO.
29 Dia nalain'i Mosesy koa ny tratran'ilay ondrilahy ary natolony tamin'ny TOMPO ka nahevahevany teo anatrehany no fomba fanolotra azy: anjaran'i Mosesy, avy amin'ilay ondrilahy nanaovana ny sorona fanokanana, io tratran-kena io araka izay efa nandidian'ny TOMPO azy.
30 Ary nangalan'i Mosesy ny menaka fanosorana sy ny ra izay teo ambonin'ny alitara, dia nafafiny tamin'i Aharona sy ny zanany ary koa tamin'ny fanamiany ka samy voatokana ho an'Andriamanitra i Aharona sy ny zanany mbamin'ny fanamiany.
31 Ary hoy i Mosesy tamin'i Aharona sy ny zanany: -Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana ny henan'ilay ondrilahy faharoa; ary eo no hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay ao anatin'ny harona misy ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako anareo.
32 Izay sisa tsy lany amin'ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin'ny afo.
33 Ary tsy hiala eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana ianareo mandritra ny fito andro, izany hoe mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo, satria haharitra fito andro ny fanokanana anareo.
34 Tahaka ny efa natao androany no voadidin'ny TOMPO hatao, mba hahazoanareo famelan-keloka.
35 Eny, hitoetra fito andro aman'alina eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana ianareo. Avy eo dia hanao ny fanompoana ny Tompo ianareo kanefa tsy ho faty. Izany no didy nomen'ny TOMPO ahy.
36 Dia notanterahin'i Aharona sy ny zanany avokoa ny fepetra efa nandidian'ny TOMPO azy tamin'ny alalan'i Mosesy.