Levitîka
Toko faha-5
1 Raha misy olona mandre ny antso avo ataon'ny fampanoavana ho an'ireo vavolombelona ka ny tenany dia vavolombelona nahita na nahalala nefa tsy manambara, dia manota izy ary itambesaran'ny heloka.2 Raha misy olona mahakasika tsy nahy zavatra maloto, toy ny fatim-biby maloto rehetra na bibidia na biby fiompy na biby mandady, dia manjary voaloto izy ary meloka.
3 Raha misy olona mahakasika tsy nahy olona maloto na inona na inona fahalotoana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka.
4 Raha misy olona manao vava latsaka mianiana hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona vava latsaka nombany fianianana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka.
5 Izay olona meloka tamin'ny anankiray amin'ireo karazan-javatra ireo, dia aoka izy hiaiky ampahibemaso ny zavatra nanotany.
6 Ary hitondra fanonerana amin'ny TOMPO izy noho ny ota vitany, dia ondrivavy na osivavy mba ho sorona fanalana ny ota; dia hataon'ny mpisorona amin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, noho ny ota vitany.
7 Raha tsy takatry ny fananan'ny olona kosa ny ondrivavy na osivavy iray, dia domohina roa na voromahailala roa no hoentiny amin'ny TOMPO ho fanonerana ny ota vitany ka ny anankiray ho sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo.
8 Hoentin'ilay olona ireo vorona ireo ho eo amin'ny mpisorona. Ka ny hatolotry ny mpisorona aloha dia ilay sorona fanalana ny ota: hofolahiny amin'ny hoho ny lohany, eo akaikin'ny hatony, saingy tsy hataony tangarana;
9 hamafazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ran'ilay vorona, ary ny ra sisa dia hofiaziny eo am-pototr'io alitara io ihany: sorona fanalana ny ota izany.
10 Ny vorona anankiray kosa dia sorona dorana manontolo araka ny fomba fanao; ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
11 Raha tsy takatry ny fananan'ny olona indray ny domohina na voromahailala roa, dia koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, no hoentiny ho fanatitra fanalana ny ota; tsy handrarahany menaka sady tsy hasiany vovoka zava-manitra izany, satria fanatitra fanalana ny ota.
12 Hoentin'ilay olona izany koba izany ho eo amin'ny mpisorona ka handraofan'ny mpisorona eran-tanana ila mba ho fanati-pahatsiarovana; dia hodorany hanetona eo amin'ny alitara io fanati-pahatsiarovana io, miaraka amin'ny sorona levonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO: fanatitra fanalana ny ota izany.
13 Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana noho ny ota vitany momba ny anankiray amin'ireo lafin-javatra ireo, dia voavela ny otany. Araka ny fanao amin'ny fanatitra vokatry ny tany no hataon'ny mpisorona amin'izany.
14 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:
15 Raha misy olona manao fanazimbana ny zavatra voatokana ho an'ny TOMPO ka manota tsy nahy momba izany, dia hitondra sorom-panonerana amin'ny TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, tombanana sekela volafotsy vitsivitsy araka ny sekela fampiasa ao amin'ny Toeramasina: sorom-panonerana izany.
16 Ny zavatra namonoany antoka ny Toeramasina dia honerany sady hampiany ny ampahadimin-tombany, ka homeny ny mpisorona. Ary rehefa voatolotry ny mpisorona ilay ondrilahy sorom-panonerana ka nataony tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
17 Raha misy olona manota satria manao tsy nahy ny anankiray amin'ny zavatra noraran'ny TOMPO, dia manjary manan-tsiny izy sady itambesaran'ota.
18 Ondrilahy, tsy misy kilema, avy amin'ny andian'ondriny sady tombanana araka ny maha sorom-panonerana azy, no hoentiny ho eo amin'ny mpisorona. Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana noho ny ota tsy tandrina sady tsy nahy nahavoa azy, dia voavela ny otany.
19 Sorom-panonerana izany, satria meloka tamin'ny TOMPO tokoa izy.
20 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:
21 Mety misy olona manota ka diso tamin'ny TOMPO satria mandainga amin'ny namany momba ny zavatra nampitahirizina azy, na zavatra nindraminy, na zavatra nangalariny, na zavatra nalainy an-keriny,
22 na zava-bery hitany, na koa manao fianianana tsy marina momba izay mety ho fahotana fanaon'ny olona.
23 Noho izy nanota ka meloka, dia haveriny ny zavatra nangalariny na nalainy an-keriny, na nampitahirizany azy, na zava-bery hitany,
24 na izay rehetra nanaovany fianianana tsy marina. Haveriny manontolo izany sady hampiany ny ampahadimin-tombany, ka homeny an'ilay tompon-javatra, vantany vao tsapany fa meloka izy.
25 Ho sorom-panonerana amin'ny TOMPO, dia ondrilahy no hoentiny ho eo amin'ny mpisorona: ondrilahy tsy misy kilema, avy amin'ny andian'ondriny sady tombanana araka ny maha sorom-panonerana azy.
26 Ary rehefa nataon'ny mpisorona teo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO kosa ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otan'ilay olona na inona na inona hadisoana vitany.