Levitîka

Toko faha-4

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ireny didin'ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao ireny, dia sorona fanalana ny ota no aoka hataony.

3 Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin'ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.

4 Izy mpisorombe no hitondra ny ombilahy ho eo akaikin'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana, ho eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO; dia hametra-tanana eo amin'ny lohan'ilay ombilahy izy ka hamono azy eo anoloan'ny Toeramasina.

5 Ary hangalan'ny mpisorombe ny ran'ny ombilahy ka hoentiny ho ao amin'ny Tranolay fihaonana;

6 dia hatsobony ao amin'ny ra ny fanondrony, ka eo anoloan'ny Toeramasina Indrindra izy no hamafy ra impito ny lafin'ilay efitra lamba atrehiny.

7 Hotentenany ra koa ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anoloan'ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin'ny Tranolay fihaonana; ary ny ra sisa rehetra, avy amin'ilay ombilahy, dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana.

8 Halain'ny mpisorombe avokoa ny tavin-kenan'ilay ombilahy atao sorona ho fanalana ny ota, dia ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy, 9 ny voany roa mbamin'ny jabora izay miraikitra amin'ny voany sy amin'ny takibany, ary koa ny ila-atiny izay hataony indray manala amin'ny voany:

10 mitovy amin'ny tavin-kena alaina amin'ny ombilahy atao sorom-pihavanana izany. Avy eo dia hodoran'ny mpisorombe hanetona eo ambonin'ny alitara fanaovan-tsorona dorana ireo tavin-kena ireo.

11 Fa ny hoditry ny ombalahy sy ny henany rehetra mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny dikin-drorohany,

12 izany hoe ny sisa rehetra amin'ilay ombilahy, dia hasainy hoentina any ivelan'ny toby, ho any amin'izay toerana madio fanariana ny lavenona, ka hodorana eo ambony kitay hazo mirehitra izany; eo amin'ny toerana fanariana ny lavenona no handoroana azy.

13 Raha ny Fiangonan'ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin'ny didin'ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany.

14 Vao fantany kosa ny ota vitany, dia ombilahy no aoka hatolony ho fanalana izany ka hoentiny eo anoloan'ny Tranolay fihaonana.

15 Ireo loholon'ny Fiangonana dia hametra-tanana amin'ny lohan'ilay ombilahy, eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO; ary loholona anankiray no hamono azy eo anoloan'ny Toeramasina.

16 Hangalan'ny mpisorombe ny ran'ilay ombilahy ka hoentiny ho ao amin'ny Tranolay fihaonana;

17 dia hatsobony ao amin'ny ra ny fanondrony, ka eo anoloan'ny Toeramasina Indrindra izy no hamafy ra impito ny lafin'ilay efitra lamba atrehiny.

18 Hakany koa io ra io hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara eo anoloan'ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin'ny Tranolay fihaonana. Ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana.

19 Halainy avokoa ny tavin-kenan'ilay ombilahy, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara.

20 Toy ny nataon'izy mpisorombe tamin'ny ombilahy natolony ho fanalana ny otany no hataony ihany koa amin'ity ombilahy ity. Ary rehefa nataon'ny mpisorombe tamin'ireo Israelita ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

21 Ny sisa amin'ilay ombilahy kosa hasain'ny mpisorombe hoentina any ivelan'ny toby, dia hodorana tahaka ny sisa tamin'ilay ombilahy natao sorona ho azy mpisorombe. Izany no sorona fanalana ny ota ho an'ny fiangonan'ny Israelita.

22 Raha manampahefana no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin'ny didin'ny TOMPO Andriamanitra momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.

23 Vantany vao fantatr'ilay manampahefana ny ota vitany, dia osilahy tsy misy kilema no aoka ho sorona hoentiny.

24 Hametra-tanana amin'ny lohan'ilay osilahy izy, dia hamono azy eo amin'ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo, eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO; sorona fanalana ny ota izany.

25 Hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ilay osilahy ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa dia haidiny eo am-pototr'io alitara io ihany.

26 Avy eo ny tavin-kena rehetra dia hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara tahaka ny fanao azy amin'ny sorom-pihavanana. Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay mpanapaka ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

27 Raha olona iray anisan'ny vahoaka israelita no nanota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin'ny didin'ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.

28 Vantany vao fantatr'ilay olona ny ota vitany, dia osivavy tsy misy kilema no aoka ho sorona hoentiny noho ny ota vitany.

29 Hametra-tanana amin'ny lohan'ilay osivavy izy, dia hamono azy eo amin'ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo.

30 Hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ra, ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo ampototr'io alitara io ihany.

31 Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra, tahaka ny fanesorana azy amin'ny sorom-pihavanana, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO. Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

32 Raha ondry no entin'ilay olona mba ho sorona fanalana ny ota, dia aoka ny vavy tsy misy kilema no hoentiny.

33 Hametra-tanana amin'ny lohan'ilay ondry izy, dia hamono azy eo amin'ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo.

34 Hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ilay ondry ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototr'io alitara io ihany.

35 Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra toy ny fanesorana azy amin'ny ondry atao sorom-pihavanana; dia hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara izany, miaraka amin'ny sorona levonina amin'ny afo mba ho an'ny TOMPO. Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557