Levitîka
Toko faha-24
1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Mitondra menaka oliva madio tsara ianareo, mba hampirehetana ny jiro isan-kariva ka maharitra tontolo alina.
3 Ao anatin'ny Tranolay fihaonana, eo anoloan'ny efitra lamba izay manakona ilay Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanana, no hametrahan'i Aharona ny fitoeran-jiro; ka hirehitra lalandava eo anatrehako TOMPO ireo jiro ireo, manomboka ny hariva ka mandra-maraina: ho lalana raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.
4 Eo ambonin'io fitoeran-jiro volamena madio io no hametrahan'i Aharona ireo jiro izay hirehitra tontolo alina eo anatrehako.
5 Lafarinina tsara no alaonao ary mofo 12 samy milanja enina kilao no endaso.
6 Dia apetraho mifanongoa eo ambonin'ny latabatra volamena madio eo anatrehako TOMPO ireo, ka ataovy antontany anankiroa misy mofo enina avy.
7 Hasianao vovoka zava-manitra madio eo ambonin'ny isan'antonta; dia izany vovoka zava-manitra izany no hatao solon'ny mofo ka holevonina amin'ny afo mba ho fanati-pahatsiarovana ho AHY.
8 Isaky ny sabata, mitohy tsy tapaka, no hapetraka mifanongoa eo anatrehako TOMPO ireny mofo avy amin'ny Israelita ireny: ho lamim-panekempihavanana raikitra hatrany hatrany izany ho an'ny Israelita.
9 Ny mofo dia ho an'i Aharona sy ny taranany ka eo amin'ny faritra voatokana ho an'izany no hihinanany azy. Zava-masina dia masina ho an'ny mpisorona izany, satria ambin'ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin'ny afo ho AHY: anjara raikitra hatrany hatrany izany ho azy.
10 Nisy lehilahy anankiray nivoaka ny toeram-ponenany hankeo amin'ny Israelita. Ejiptianina ny rainy; fa Israelita ny reniny izay atao hoe Selomita, zanakavavin'i Dibry, avy amin'ny fokon'i Dana.
11 Vao mby teo amin'ny Israelita ralehilahy, dia niady tamina lehilahy israelita anankiray sady nanevateva sy niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra ka nentina tany amin'i Mosesy.
12 Dia nambenana io zanakalahin'i Selomita io, mandra-paneho mazava ny baikon'ny TOMPO.
13 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:
14 -Avoahy ho eny ivelan'ny toby io lehilahy niteny ratsy Ahy io; ka izay rehetra nandre ny fanevatevany Ahy, dia aoka hametra-tanana eo an-dohan-dralehilahy; ary aoka ny Israelita rehetra tafangona eto hamono azy amin'ny torabato.
15 Ireto didy ireto kosa no ampitao amin'ny Israelita: Na iza na iza niteny ratsy ilay Andriamaniny, dia itambesaran-keloka.
16 Koa izay manevateva ny anaran'ny TOMPO, dia hatao maty tokoa: hamono azy amin-torabato ny Israelita rehetra tafangona. Na vahiny izy na tompontany, rehefa manevateva ny anaran'Andriamanitra, dia hatao maty tokoa.
17 Izay mahafaty olona, dia hatao maty tokoa.
18 Fa izay mahafaty biby fiompy kosa, dia hanonitra azy: biby velona no solon'ny biby maty.
19 Raha misy olona nampahazo takaitra ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy:
20 tapaka efain-tapaka, maso efai-maso, nify efai-nify; tahaka ny takaitra nampahazoany olona no hatao aminy koa.
21 Izay mahafaty biby fiompy, dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa, dia hatao maty.
22 Fitsipika tokana no hitondrana anareo, na vahiny na tompontany, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
23 Rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny Israelita izany, dia nanao araka izay didy nomen'ny TOMPO an'i Mosesy ireo: navoakany tany ivelan'ny toby ilay lehilahy niteny ratsy an'Andriamanitra, ka novonoiny tamin-torabato.