Levitîka
Toko faha-22
1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:2 Lazao amin'i Aharona sy ny zanany fa misy anton-javatra tsy maintsy hifadiany ny zava-masina atokan'ny Israelita ho Ahy, mba tsy hanalany baraka ny anarako masina. Izaho no TOMPO.
3 Ka lazao azy mianakavy hoe: Hatrany hatrany, izay lehilahy rehetra anisan'ny taranakareo, ka mbola manam-pahalotoana izy no manatona ny zava-masina atokan'ny Israelita ho AHY, dia hoesorina tsy hanompo eo anatrehako intsony. Izaho no TOMPO.
4 Ny mpisorona, voan'ny aretin-koditra na marary mitsika eo amin'ny taovam-pilahiana, dia tsy mahazo mihinana amin'ny zava-masina mandra-pahadiony. Toy izany koa ny mpisorona izay nahakasika olona voaloto tamim-paty, na izay nandeha tsirinaina tsy nahy,
5 na izay nahakasika biby mahaloto na olona mahaloto na inona na inona fahalotoany;
6 ny mpisorona, izay nahakasika olona na zavatra mahaloto azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro ka tsy hahazo mihinana amin'ny zava-masina, raha tsy efa nandro.
7 Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio ilay mpisorona; ka izay izy vao mahazo mihinana amin'ny zava-masina, satria izany no fihinany.
8 Tsy hohanin'ny mpisorona koa ny henam-biby maty ho azy na voaviraviram-bibidia, mba tsy hahatonga azy ho voaloto. Izaho no TOMPO.
9 Aoka ny mpisorona hitandrina izay fepetra nasaiko tandremany, fandrao hitambesaran-keloka ny amin'izany fanimbazimbana zava-masina izany izy ka ho faty. Izaho no TOMPO, Izay efa nanokana ny mpisorona hanompo Ahy.
10 Aza avela hihinana zava-masina ny Israelita tsy anisan'ny fianakavia-mpisorona; na izay sendra mivahiny ao amin'ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.
11 Fa raha misy mpanompo novidin'ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin'izany ihany izy; toy izany koa, ny mpanompo izay teraka tao an-tranon'ny mpisorona, dia mahazo mihinana izay fihinany.
12 Raha misy zanakavavin'ny mpisorona manambady lehilahy israelita tsy anisan'ny fianakavia-mpisorona, dia tsy mahazo mihinana ny navahana tamin'ny zava-masina izy.
13 Fa raha maty vady na nariam-bady na tsy nanan-janaka ilay zanakavavin'ny mpisorona ka mody ao an-tranon-dray toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana izay fihinan-drainy. Ankoatra ireo, ny Israelita tsy anisan'ny fianakavia-mpisorona dia aoka tsy hisy hihinana zava-masina.
14 Raha misy Israelita tsy anisan'ny fianakavia-mpisorona ka nahahinana tsy nahy tamin'ny zava-masina, dia honerany amin'ny mpisorona izay laniny ka hotongavany ny ampahadiminy.
15 Aoka tsy hisy mpisorona hampanimbazimba ny zava-masina izay natokan'ny Israelita ho Ahy TOMPO;
16 raha avelany hihinana izany ny Israelita tsy anisan'ny fianakavia-mpisorona, dia manjary itambesaran-keloka sy manonitra. Fa Izaho no TOMPO Izay efa nanokana ireny zava-masina ireny.
17 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO
18 mba hamepetra an'i Aharona sy ny zanany mbamin'ny Israelita hoe: Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, te hanatitra zavatra amiko TOMPO ho sorona dorana manontolo mba ho fanalam-boady na ho fanomezana an-tsitrapo, dia izao no hataony:
19 lahy tsy misy kilema amin'ny omby na ondry na osy no aoka hateriny mba hahazoany sitraka.
20 Izay biby rehetra misy kilema dia tsy azonareo aterina, satria tsy hahazoanareo sitraka amiko izany.
21 Raha misy olona manatitra omby na ondry na osy amiko TOMPO ho sorom-pihavanana mba ho fanalam-boady na ho fanomezana an-tsitrapo, dia biby tsy misy kilema na kely akory aza no aoka hateriny mba hahazoany sitraka.
22 Fa izay biby jamba, na mandringa, na kilemaina na ferena, na hatenina, na kongonina, dia tsy haterinareo ho AHY na hataonareo sorona levonina amin'ny afo ao ambonin'ny alitara ho AHY.
23 Raha omby na ondry na osy no misy sampona, dia azo aterina ihany ho fanomezana an-tsitrapo; fa raha fanalam-boady dia tsy hahazoana sitraka izany.
24 Izay voaporitra na voatoro vihindahy ary koa voaombotra na voadidy vihindahy amin'ireo biby ireo, dia tsy azonareo aterina ho AHY; ary aza manao famosiram-biby ianareo, rehefa mby eo amin'ny taninareo.
25 Raha misy biby vositra entin'olona hafa firenena, dia tsy azonareo aterina ho sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo ireny; satria noho izy novosirina, dia misy kilema ka tsy hahazoanareo sitraka.
26 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:
27 Raha misy omby na ondry na osy vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny mandritra ny fito andro izy; fa manomboka amin'ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hahazoana sitraka izy raha atao sorona levonina amin'ny afo ho AHY.
28 Kanefa ny ombivavy na ny ondrivavy na ny osivavy, dia aoka tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
29 Raha manolotra sorom-pisaorana amiko TOMPO ianareo, dia araka izay hahazoanareo sitraka no anolory azy.
30 Iny andro anolorana azy iny ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina. Izaho no TOMPO.
31 Imasoy hotanterahina ny didiko. Izaho no TOMPO.
32 Aza manala baraka ny anarako masina, mba hanajana Ahy ho masina eo amin'ny Israelita. Izaho no TOMPO, Izay manokana anareo ho vahoakako.
33 Izaho no namoaka anareo hiala tany Ejipta. Izaho no TOMPO.