Levitîka

Toko faha-21

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra ny mpisorona, zanakalahin'i Aharona hoe: Aoka ny mpisorona tsy handoto tena amin'ny fikasihana ny fatin'olona anisan'ny fianakaviany,

2 afa-tsy hoe havany akaiky dia akaiky, tahaka ny reniny sy ny rainy ary ireo zanany sy ny rahalahiny.

3 Ny amin'ny anabaviny, izay mpitovo ka mbola havany akaiky tokoa satria tsy mba nanambady, dia mahazo mandoto tena ny mpisorona amin'ny fikasihana ny fatiny.

4 Noho izy loham-pianakaviany, dia aoka ny mpisorona tsy handoto tena amin'ny fikasihana faty hafa, satria manala baraka azy izany.

5 Rehefa misaona izy mpisorona, dia tsy hanasola ny tampon-dohany na hanaratra ny volon-tavany na handradratra ny tenany.

6 Voatokana hanompo Ahy izy, ka tsy hanala baraka ny anarako, satria izy no mpanolotra ny sorona levonina amin'ny afo, dia ny sakafo aroso ho Ahy TOMPO Andriamaniny; noho izany, tokony hitandro ny maha olona voatokana azy ny mpisorona.

7 Aoka ny mpisorona tsy hanambady vehivavy mpijangajanga na novetaina na efa nariam-badiny, noho izy voatokana hanompo Ahy.

8 Ianareo Israelita kosa dia aoka hihevitra ny mpisorona ho olona voatokana, satria ny sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo no atolony. Eny, aminareo ny mpisorona dia ho olona voatokana; satria Izaho TOMPO, Izay nanokana anareo Israelita ho vahoakako, dia masina.

9 Raha ny zanakavavin'ny mpisorona no manala baraka tena amin'ny fijangajangana, dia manala baraka ny rainy koa izy, ka hodorana.

10 Ny mpisorombe no filohan'ireo mpisorona rahalahiny. Nandrarahana ny menaka fanosorana teo an-dohany izy ka manan-jo hitafy ny fanamiana masina. Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany,

11 na hiditra am-paty akory; tsy tokony handoto tena izy na dia amin'ny fahafatesan'ny ray aman-dreniny aza.

12 Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hiala ny faritra masina, fandrao hanazimba ny Toeramasina onenako; satria ny menaka nahosotro azy no efa nanokanako azy hanompo Ahy. Izaho no TOMPO.

13 Aoka ho vehivavy virijiny no halain'ny mpisorombe ho vady.

14 Ny vehivavy maty vady, na nariam-bady, na novetaina, na mpijangajanga, dia tsy azony alaina ho vady; fa vehivavy virijiny, anisan'ny fianakavia-mpisorona, no halain'ny mpisorombe.

15 Amin'izay, dia tsy ho afa-baraka ny ankohonany eo anivon'ny fianakaviamben'ny mpisorona, Satria Izaho no TOMPO Izay efa nanokana ny mpisorombe hanompo Ahy.

16 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

17 mba hamepetra an'i Aharona hoe: Hatrany hatrany, izay taranakao misy kilema dia aoka tsy hanatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.

18 Izay mpisorona misy kilema dia tsy mahazo manatona ny alitara hanao izany, na ny jamba, na ny mandringa, na ny manan-tarehy sampona,

19 na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,

20 na ny vokoka na ny saozanina, na ny voan'aretin-koditra, na ny torotoro vihindahy.

21 Izay mpisorona rehetra misy kilema, amin'ny taranakao, dia tsy mahazo manatona ny alitara mba hanolotra ho AHY ny sorona levonina amin'ny afo; noho izy misy kilema no tsy ahazoany manatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.

22 Azony ihinanana ihany anefa ny zavatra atao sorona amiko, na ny zavatra masina dia masina na ny zavatra masina.

23 Kanefa noho izy misy kilema, dia tsy mahazo mankeo amin'ny efitra lamba izy na manatona ny alitara; tsy tokony handoto ny Toeramasina onenako izy, satria Izaho TOMPO efa nanokana ny mpisorona hanompo Ahy.

24 Dia nampitain'i Mosesy tamin'i Aharona sy ny zanany ary tamin'ny Israelita rehetra koa izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0591