Levitîka

Toko faha-18

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo!

3 Aza manao araka ny fanaon'i Ejipta izay tany nonenanareo; aza manao araka ny fanaon'i Kanahana izay tany efa hampidirako anareo; ary aza manaraka ny lalanan'ireny firenena ireny ianareo.

4 Ny fitsipiko no tanteraho, ary ny lalanako no imasoy harahina. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

5 Tandremo ny lalana amam-pitsipiko; fa izay manatanteraka izany, dia ho velona amin'izany. Izaho no TOMPO.

6 Aoka tsy hisy lehilahy israelita hila vehivavy havany akaiky dia akaiky mba hiray aminy. Izaho no TOMPO.

7 Aza miray amin'ny reninao ianao, fa manala baraka ny rainao izany; reninao izy ka aza ifoteranao.

8 Aza miray amin'ny renikelinao fa manala baraka ny rainao izany.

9 Aza miray amin'ny anabavinao zanakavavy nentin-drainao na nentin-dreninao, ka nobeazina tao an-trano fonenana na tany an-kafa.

10 Aza miray amin'ny zafinao vavy, nateraky ny zanakalahinao na ny zanakavavinao, fa manala baraka anao izany.

11 Aza miray amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, satria anabavinao izy noho ny rainao manjary rainy.

12 Aza miray amin'ny anabavin-drainao, satria havan-drainao akaiky dia akaiky izy.

13 Aza miray amin'ny rahavavin-dreninao, satria havan-dreninao akaiky dia akaiky izy.

14 Aza alaim-baraka ny rahalahin-drainao noho ny firaisanao amin'ny vadiny, izay nenitoanao.

15 Aza miray amin'ny vinantovavinao, fa vadin'ny zanakalahinao izy.

16 Aza miray amin'ny vadin-drahalahinao, fa manala baraka ny rahalahinao izany.

17 Aza miray amin'ny vehivavy anankiray no sady hiray amin'ny zananivavy na koa hiray amin'ny zafikeliny vavy, nateraky ny zananilahy na zananivavy, satria mpihavana akaiky ilay vehivavy sy ny zanaka aman-jafiny ka firaisana mampifamotitra izany.

18 Aza mampakatra ny rahavavim-badinao raha mbola velona ilay vadinao, satria hampifandrafy azy mirahavavy izany.

19 Aza mila vehivavy mbola voaloton'ny fadimbolany mba hiray aminy.

20 Aza miray amin'ny vadin'olona mpiray firenena aminao, satria ho voaloton'izany ianao.

21 Aza misy omena hatao sorona dorana hanajana ny sampy Moloka ny zanakao, satria manala baraka ny anaran'Andriamanitrao izany. Izaho no TOMPO.

22 Aza miray amin'ny lehilahy tahaka ny firay amin'ny vehivavy; zava-mamoafady izany.

23 Aza miray amin'ny biby, satria ho voaloton'izany ianao; ary aoka tsy hisy vehivavy hety hiray amin'ny biby, fa zava-mamoafady indrindra izany.

24 Aza misy andotoanareo tena ireo zavatra ireo; fa tamin'ireo no nandoto tena ny hafa firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo.

25 Voaloto mbamin'ny tany aza, ka novaliako ny helony ary naloany ny mponina teo aminy.

26 Noho izany, ianareo Israelita tompontany na vahiny valovotaka eo aminy, dia tandremo ny lalanako amam-pitsipiko, ka aza misy atao ireo zava-mamoafady ireo.

27 Fanaon'ny olona talohanareo tao amin'ny tany Kanahana ireo, ka dia naloto ny tany.

28 Aza lotoinareo indray ny tany mba tsy handoavany anareo tahaka ny efa nandoavany an'ireo firenena izay tao talohanareo.

29 Hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita manko izay rehetra manao amin'ireo zava-mamoafady ireo.

30 Koa tandremo izay asaiko tandremanareo mba tsy hisy hataonareo akory ny fomba mamoafady izay fanaon'ny olona talohan'ny fahatongavanareo; ka aza mandoto tena amin'izany ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0678