Levitîka

Toko faha-16

1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO, taorian'ny nahafatesan'izy roa lahy zanak'i Aharona, dia izy mirahalahy maty tamin'ny nanatonany hitondra ditin-kazo manitra tsy sahaza teo anatrehan'ny TOMPO.

2 Ka hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Ilazao i Aharona rahalahinao mba tsy hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, ambadiky ny efitra lamba, afa-tsy amin'ny andro sahaza ihany; ary ilazao koa izy tsy hankeo anoloan'ilay Vatamasina izay misy rakotra volamena eo amboniny, sao ho faty izy satria hiseho anaty rahona eo ambonin'io rakotra volamena io Aho.

3 Rehefa miditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra kosa i Aharona, dia ireto avy no fomba harahiny. Ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo no hoentiny.

4 Akanjo lava voatokana, vita amin'ny kiran-drongony fotsy, no hanaovany; kalisaonina, vita amin'ny kiran-drongony fotsy, no hataony manolo-koditra; fehikibo, vita amin'ny kiran-drongony fotsy, no hietrany; ary fehiloha, vita amin'ny kiran-drongony fotsy, no hisatrohany: samy fanamiana voatokana ireo ka rehefa avy nandro i Aharona vao hitafy azy.

5 Ny Fiangonan'ny Israelita tsivakivolo dia handraisany osilahy roa hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo.

6 Dia hatolotr'i Aharona ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an'ny tenany; izay izy vao hanao fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny tenany sy ny ankohonany.

7 Halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan'ny TOMPO, eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana.

8 Dia hataon'i Aharona antsapaka ireo osilahy ireo mba hahafantarana izay osilahy ho an'ny TOMPO sy izay osilahy ho osy mikarenjy.

9 Ary hatolotr'i Aharona ny osilahy voatendrin'ny antsapaka ho an'ny TOMPO, ka hataony sorona fanalana ny ota.

10 Fa ny osilahy voatendrin'ny antsapaka ho osy mikarenjy kosa dia ampiasaina hanatontosana ny fombam-pivavahana famelan-keloka: hapetraka velona eo anatrehan'ny TOMPO aloha ilay osilahy, vao horoahina ho osy mikarenjy any an-taniefitra.

11 Koa hatolotr'i Aharona izany ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an'ny tenany; izay izy vao hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny tenany sy ny ankohonany. Rehefa avy namono ilay ombilahy i Aharona,

12 dia haka fanembohana nofenoina vain'afo avy amin'ilay alitara izay ao amin'ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin'ny Toeramasina Indrindra.

13 Eo anatrehan'ny TOMPO eo i Aharona no hanisy ditin-kazo manitra eo ambonin'ny vain'afo ka hosaronan'ny setrok'izany ilay rakotra volamena eo ambonin'ny Fanekempihavanana mba tsy hahafaty an'i Aharona.

14 Dia hangalany ny ran'ilay ombilahy ka hafafin'ny fanondrony eo amin'ny rakotra volamena, lafy atsinanana; ary eo anoloan'ny rakotra volamena koa dia hamafazany ra impito amin'ny fanondrony.

15 Manaraka izany, rehefa voavonon'i Aharona ny osilahy izay hatao sorona fanalana ny ota ho an'ny vahoaka israelita, dia hoentiny miditra ao anatin'ny Toeramasina Indrindra koa ny rany; hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny ran'ilay ombilahy izany, ka hafafiny eo ambonin'ny rakotra volamena sy eo anoloany.

16 Ary hotontosain'i Aharona ny fombam-pivavahana fanadiovana ny Toeramasina Indrindra, noho ny fahalotoana amam-pahadisoan'ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany; toy izany koa no hataon'i Aharona amin'ny faritra sisa ao amin'ny Tranolay fihaonana, izay mitoetra miaraka amin'ny Israelita sady eo afovoan'ny fahalotoany.

17 Tsy tokony hisy olona eo amin'ny Tranolay fihaonana, manomboka hatreo amin'ny idiran'i Aharona hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka mandra-pialany tao. Rehefa vita ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny tenany sy ho an'ny ankohonany ary ho an'ny Fiangonan'ny Israelita tsivakivolo,

18 dia hivoaka hankeo amin'ny alitara eo anoloan'ny Tranolay fihaonana izy, ka hanao ny fombam-pivavahana fanadiovana io alitara io. Samy hangalany avy ny ran'ny ombilahy sy ny ran'ny osilahy hanentenany ny tandroky ny alitara eo amin'ny zorony efatra;

19 ary hamafazany ra impito amin'ny fanondro koa ny alitara. Dia toy izany no hanadiovan'i Aharona ny alitara ho afaka amin'ny fahalotoan'ny Israelita ka hamerenan-kasina azy indray.

20 Rehefa tapitra ny fombam-pivavahana fanadiovana ny Toeramasina Indrindra sy ny faritra sisa amin'ny Tranolay fihaonana ary koa ny alitara fisoronana, dia ilay osilahy mbola velona no hatolotr'i Aharona.

21 Hapetrany amin'ny lohan'io osilahy io ny tanany roa, ary hotanisainy eo amboniny avokoa ny heloka amam-pahadisoan'ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany. Hatambesatr'i Aharona amin'ilay osilahy ireo fahotana rehetra ireo; izay izy vao hampandroaka azy hankany an-taniefitra, hoentina lehilahy anankiray voatendry.

22 Dia hindaosin'ny osilahy ho any an-taniefitra ny helok'izy rehetra. Rehefa voaroaka ho any an-taniefitra ilay osilahy,

23 dia hiditra ao amin'ny Tranolay fihaonana i Aharona ka hanala sy hametraka ny fanamiana vita kiran-drongony fotsy, izay niakanjoany tamin'izy niditra tao amin'ny Toeramasina Indrindra.

24 Handro ao amin'ny faritra anankiray voatokana ho an'izany izy, dia hiakanjo fitafiana hafa; ary hiainga hanolotra ny sorona dorana manontolo ho an'ny tenany sy ny sorona dorana manontolo ho an'ny vahoaka izy ka hanatontosa ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny tenany sy ho an'ny vahoaka.

25 Ary ny tavin-kenan'ireo biby natao sorona fanalana ny ota dia hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara.

26 Ilay lehilahy nandroaka ny osilahy ho osy mikarenjy dia hanasa fitafiana sy handro, vao mahazo miditra ny toby.

27 Ary ny ombilahy sy osilahy, izay natao sorona fanalana ny ota sady samy efa nangalana ra mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ao amin'ny Toeramasina Indrindra, dia hindaosina any ivelan'ny toby, ka hodorana ny hodiny sy henany ary dikin-drorohany.

28 Ilay lehilahy nandoro azy dia hanasa fitafiana sy handro koa, vao hiditra ny toby.

29 Izao no lalana raikitra ho anareo: Ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito, dia aoka ianareo hifady hanina sady tsy hanao raharaha akory, na ianareo Israelita tompontany na ireo vahiny valovotaka eo aminareo.

30 Fa amin'io andro io no hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotana rehetra eo anatrehan'ny TOMPO ianareo.

31 Ho tena andro fitsaharana sy fifadian-kanina ho anareo io andro io. Lalana raikitra izany.

32 Any aoriana any, dia ny mpisorona izay voahosotra sy voatokana ho mpisorombe hisolo ny rainy no hanao ireo fombam-pivavahana famelan-keloka sy fanadiovana ireo; ny fanamiana masina, ireo fanamiana vita kiran-drongony fotsy, no hiakanjoany amin'izany;

33 dia hanao ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an'ny Toeramasina Indrindra sy ho an'ny faritra sisa amin'ny Tranolay fihaonana ary ho an'ny alitara fisoronana izy, ary koa hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny mpisorona sy ho an'ny Fiangonan'ny Israelita tsivakivolo.

34 Lalana raikitra ho anareo izany, mba hahazoana, indray mandeha isan-taona, ny famelana ny heloka rehetra ho an'ny Israelita. Dia araka izay zavatra nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy no nataon'i Aharona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.071